DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Jona 2015)

Talata 30 Jona 2015

Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô,
Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.

Alatsinainy 29 Jona 2015

Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.

Alahady 28 Jona 2015

Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.

Asabotsy 27 Jona 2015

Ary rehefa noraisin'i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan'ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin'ny folo harona.

Zoma 26 Jona 2015

Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa.

Alakamisy 25 Jona 2015

Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko
samy hankasitrahana eo imasonao,
Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy.

Alarobia 24 Jona 2015

Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo. Efa mby akaiky ny Tompo.

Talata 23 Jona 2015

Fa efa tonga ny Zanak'olona hitady sy hamonjy ny very.

Alatsinainy 22 Jona 2015

Ny fo ravoravo mahasalama tsara;
Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.

Alahady 21 Jona 2015

Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.

Asabotsy 20 Jona 2015

Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.

Zoma 19 Jona 2015

Mitaraina ny marina, ary mihaino azy Jehovah ka mamonjy azy amin'ny fahoriany rehetra. Akaikin'izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torororo fanahy.

Alakamisy 18 Jona 2015

Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo.

Alarobia 17 Jona 2015

Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.

Talata 16 Jona 2015

Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany,
Ary endrey ny hatsaran'ny teny atao amin'izay andro mahamety azy!

Alatsinainy 15 Jona 2015

Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra.

Alahady 14 Jona 2015

Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.

Asabotsy 13 Jona 2015

Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô;
ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.

Zoma 12 Jona 2015

Ary raha manota aminao ny rahalahinao, dia mankanesa any aminy, ka rehefa mitokana ianareo roa lahy, dia asehoy azy ny fahadisoany. Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.

Alakamisy 11 Jona 2015

Ary Jesosy nijery azy ka nanao taminy hoe: Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra.

Alarobia 10 Jona 2015

Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany;
ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy;
Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.

Talata 9 Jona 2015

Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy.

Alatsinainy 8 Jona 2015

Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.

Alahady 7 Jona 2015

Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy,
sady misaintsaina ny marina ny fony;
Tsy manendrikendrika amin'ny lelany,
sady tsy manisy ratsy ny sakaizany,
ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany.

Asabotsy 6 Jona 2015

Manatòna an'Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Diovy ny tananareo, ry mpanota; ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina.

Zoma 5 Jona 2015

Fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana.

Alakamisy 4 Jona 2015

Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra;
Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.

Alarobia 3 Jona 2015

Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.

Talata 2 Jona 2015

Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra
sady manana aretina tsy azo sitranina;
Iza moa no mahafantatra ny aminy?
Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa,
mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy,
dia araka ny vokatry ny asany.

Alatsinainy 1 Jona 2015

Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy;
Hotsarovana mandrakizay ny marina.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana