Alahady 31 Mey 2015
Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny ratsy.Asabotsy 30 Mey 2015
Jesosy Kristy no tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.Zoma 29 Mey 2015
Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina;Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
Alakamisy 28 Mey 2015
Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.Alarobia 27 Mey 2015
Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty.Talata 26 Mey 2015
Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy;iza no hatahorako?
Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko;
iza no hangovitako?
Alatsinainy 25 Mey 2015
Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?Alahady 24 Mey 2015
Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.Asabotsy 23 Mey 2015
Fanilon'ny tongotroSy fanazavana ny lalako ny teninao.
Zoma 22 Mey 2015
Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo.Alakamisy 21 Mey 2015
Raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.Alarobia 20 Mey 2015
Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zananyNo fiantran'i Jehovah izay matahotra Azy.
Talata 19 Mey 2015
Fa ny fihevitro tsy fihevitrareoary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.
Alatsinainy 18 Mey 2015
Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.Alahady 17 Mey 2015
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana;Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.
Asabotsy 16 Mey 2015
Tsara sy mahitsy Jehovah,ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy,
ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
Zoma 15 Mey 2015
Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.Alakamisy 14 Mey 2015
Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.Alarobia 13 Mey 2015
Fa Hianao no nahary ny voako;Namolavola ahy tao an-kibon-dreniko Hianao.
Hidera Anao aho; fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana ahy;
Mahagaga ny asanao;
Ary fantatry ny fanahiko marimarina izany.
Talata 12 Mey 2015
Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana.Alatsinainy 11 Mey 2015
Koa mifananara sy mifampahatanjaha, tahaka ny ataonareo ihany.Alahady 10 Mey 2015
Ity no andro nataon'i Jehovah;Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.
Asabotsy 9 Mey 2015
Farany, ry rahalahy, na inona na inona marina, na inona na inona manan-kaja, na inona na inona mahitsy, na inona na inona madio, na inona na inona maha-te-ho-tia, na inona na inona tsara laza, raha misy hatsaram-panahy, ary raha misy dera, dia hevero izany.Zoma 8 Mey 2015
Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra.Alakamisy 7 Mey 2015
Ankino amin'i Jehovah ny lalanao,ary matokia Azy, fa hataony tanteraka.
Ary hampiseho ny fahamarinanao tahaka ny mazava Izy,
ary ny rariny ho anao tahaka ny mitataovovonana.
Alarobia 6 Mey 2015
Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?Talata 5 Mey 2015
Mahonòna tena, miambena: fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.Alatsinainy 4 Mey 2015
Fa Hianao, Tompo ô, no tsara sady mamela helokaAry be famindram-po amin'izay rehetra miantso Anao.
Alahady 3 Mey 2015
Ry olombelona, efa naseho anao izay tsaraSy izay ilain'i Jehovah aminao,
Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po
Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena.
Asabotsy 2 Mey 2015
Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa. Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.Zoma 1 Mey 2015
Izaho tia an'i Jehovah, satria efa nandreNy feon'ny fifonako Izy.
Satria efa nanongilana ny sofiny tamiko Izy,
Dia hiantso aho, raha mbola velona koa.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy;Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy,Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.Andinin-teny manaraka !