Alahady 31 Jolay 2016
Toho-tantely ny teny mahafinaritra,Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana.
Asabotsy 30 Jolay 2016
Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.Zoma 29 Jolay 2016
Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin'ny anaran'i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masina.Alakamisy 28 Jolay 2016
Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao;Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
Alarobia 27 Jolay 2016
Ary nony mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an'Andriamanitra Paoly sy Silasy; ary nihaino azy ny mpifatotra.Talata 26 Jolay 2016
Dia hoy Jesosy taminy: Raha tia ho tanteraka ianao, mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.Alatsinainy 25 Jolay 2016
Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho;Avy aiza ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah,
Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Alahady 24 Jolay 2016
Fa izay itoeran'ny harenao, dia ho any koa ny fonao.Asabotsy 23 Jolay 2016
Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.Zoma 22 Jolay 2016
Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana;Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.
Alakamisy 21 Jolay 2016
Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.Alarobia 20 Jolay 2016
Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.Talata 19 Jolay 2016
Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina,Fa Hianao no itokiako;
Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako,
Fa aminao no ananganako ny fanahiko.
Alatsinainy 18 Jolay 2016
Ary aoka isika hifampandinika hampandroso ny fitiavana sy ny asa tsara; aza mahafoy ny fiarahantsika miangona, tahaka ny fanaon'ny sasany, fa mifananara kosa, mainka satria hitanareo fa mihantomotra ny andro.Alahady 17 Jolay 2016
Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana.Asabotsy 16 Jolay 2016
Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa,dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.
Zoma 15 Jolay 2016
Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.Alakamisy 14 Jolay 2016
Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.Alarobia 13 Jolay 2016
Misy lalana ataon'ny olona ho mahitsy,Kanjo lalana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
Talata 12 Jolay 2016
Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.Alatsinainy 11 Jolay 2016
Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.Alahady 10 Jolay 2016
Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao;ny molotro hidera Anao.
Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho;
amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.
Asabotsy 9 Jolay 2016
Koa amin'izany, izaho Nebokadnezara midera sy manandratra ary mankalaza ny Mpanjakan'ny lanitra; marina avokoa ny asany rehetra, ary araka ny rariny ny lalany; ary izay mandeha amin'ny fiavonavonana dia hainy aetry.Zoma 8 Jolay 2016
Fa ataoko fa ny fahoriana amin'izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin'ny voninahitra izay haseho amintsika.Alakamisy 7 Jolay 2016
Izay mahambim-bava no miaro ny ainy;Fa izay vavàna dia haringana.
Alarobia 6 Jolay 2016
Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.Talata 5 Jolay 2016
Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.Alatsinainy 4 Jolay 2016
Ato am-poko no iraketako ny teninao,Mba tsy hanotako aminao.
Alahady 3 Jolay 2016
Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.Asabotsy 2 Jolay 2016
Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany.Zoma 1 Jolay 2016
Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy;Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Mahereza, ary aoka hatanjaka ny fonareo,dia ianareo rehetra izay manantena an'i Jehovah.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Fa Izaho Jehovah Andriamanitraono mitantana ny tananao ankavanana,
dia ilay manao aminao hoe:
Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.Andinin-teny manaraka !