Alakamisy 30 Jona 2016
Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!Alarobia 29 Jona 2016
Fa Izaho Jehovah Andriamanitraono mitantana ny tananao ankavanana,
dia ilay manao aminao hoe:
Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
Talata 28 Jona 2016
Ampanalaviro ahy ny zava-poana sy ny lainga;Aza manome ahy alahelo na harena;
Fahano aho amin'izay anjara-hanina sahaza ho ahy.
Alatsinainy 27 Jona 2016
Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.Alahady 26 Jona 2016
Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.
Asabotsy 25 Jona 2016
Hianao, Jehovah ô, aza miaro ny antranao tsy ho amiko;aoka ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao hiaro ahy mandrakariva.
Zoma 24 Jona 2016
Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.Alakamisy 23 Jona 2016
Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny olona ireny.Alarobia 22 Jona 2016
Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana;Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.
Talata 21 Jona 2016
Fa asany isika, voaforona tao amin'i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin'Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.Alatsinainy 20 Jona 2016
Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.
Alahady 19 Jona 2016
Ny mahafaty sy ny mahavelona samy hain'ny lela,Koa izay manarana azy dia hihinana ny vokany.
Asabotsy 18 Jona 2016
Koa amin'izany dia tsy manan-kalahatra ianao, ralehilahy, na zovy na zovy ianao izay mitsara; fa izay itsaranao ny sasany no anamelohanao ny tenanao koa, fa ianao izay mitsara aza dia mba manao izany ihany koa.Zoma 17 Jona 2016
Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.Alakamisy 16 Jona 2016
Ny voaloham-pahendrena dia izao: Mahazoa fahendrena;Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
Alarobia 15 Jona 2016
Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.Talata 14 Jona 2016
Iza no Andriamanitra tahaka Anao,Izay mamela heloka
Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany?
Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy,
Fa tia famindram-po.
Alatsinainy 13 Jona 2016
Isaorana anie ny TompoIzay mitondra ny entan-tsika isan'andro isan'andro,
eny, Andriamanitra Izay famonjena antsika.
Alahady 12 Jona 2016
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.Asabotsy 11 Jona 2016
Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.Zoma 10 Jona 2016
Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto?Ny fitandremana araka ny teninao.
Alakamisy 9 Jona 2016
Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.Alarobia 8 Jona 2016
Efa nomen'ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany.Talata 7 Jona 2016
Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa;Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
Alatsinainy 6 Jona 2016
Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.Alahady 5 Jona 2016
Ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra.Asabotsy 4 Jona 2016
Maniry fatratra mandritra ny andro izy;Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.
Zoma 3 Jona 2016
Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana;fa izy no hovokisana.
Alakamisy 2 Jona 2016
Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.Alarobia 1 Jona 2016
Ny fankahalana dia manetsika ady;Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.
Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery,Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.