DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Aogositra 2016)

Alarobia 31 Aogositra 2016

Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?

Talata 30 Aogositra 2016

Ankino amin'i Jehovah ny asanao,
Dia ho lavorary izay kasainao.

Alatsinainy 29 Aogositra 2016

Ary ho an'izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika, ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesosy hatramin'ny taranaka farany indrindra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Alahady 28 Aogositra 2016

Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin'ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin'ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.

Asabotsy 27 Aogositra 2016

Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra,
Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra,
Fa Izy handamina ny lalanao.

Zoma 26 Aogositra 2016

Mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara.

Alakamisy 25 Aogositra 2016

Ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra ho ao am-pontsika.

Alarobia 24 Aogositra 2016

Vonjeo izahay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô,
noho ny voninahitry ny anaranao;
ary afaho izahay, ka mamelà ny helokay,
noho ny anaranao.

Talata 23 Aogositra 2016

Aza mitsara, mba tsy hotsaraina ianareo.

Alatsinainy 22 Aogositra 2016

Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan'Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.

Alahady 21 Aogositra 2016

Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena,
Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.

Asabotsy 20 Aogositra 2016

Raha hoy isika: Manana firaisana aminy isika, kanefa mandeha amin'ny maizina, dia mandainga isika ka tsy manao ny marina.

Zoma 19 Aogositra 2016

Ary hitady Ahy ianareo, dia ho hitanareo Aho, raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra.

Alakamisy 18 Aogositra 2016

Akory re ny haben'ny zava-tsoanao voarakitrao
ho an'ny matahotra Anao!
dia izay nataonao teo anatrehan'ny zanak'olombelona
ho an'izay mialoka aminao!

Alarobia 17 Aogositra 2016

Omeo, dia mba homena ianareo; fatra tsara sady ahintsana no afatratra ka mihoatra no homeny ho ao am-pofoanareo. Fa izay fatra ataonareo no hamarana ho anareo kosa.

Talata 16 Aogositra 2016

Ary tamin'izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

Alatsinainy 15 Aogositra 2016

Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko,
dia mbola vatolampin'ny foko
sy anjarako mandrakizay Andriamanitra.

Alahady 14 Aogositra 2016

Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.

Asabotsy 13 Aogositra 2016

Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin'ny tany ka niankohoka sady nanao hoe: Nitanjaka no nivoahako avy tany an-kibon'ineny, ary mitanjaka no hiverenako any; Jehovah no nanome, ary Jehovah no nanaisotra; isaorana anie ny anaran'i Jehovah.

Zoma 12 Aogositra 2016

Ny lalàn'ny fahamarinanao no fidiko;
Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.

Alakamisy 11 Aogositra 2016

Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin'ny fitondran-tena tsara ny asany amin'ny fahalemem-panahin'ny fahendrena.

Alarobia 10 Aogositra 2016

Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin'ny fanatrehan'ny Tompo.

Talata 9 Aogositra 2016

Mamandrika ny tahotra olona;
Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena.

Alatsinainy 8 Aogositra 2016

Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.

Alahady 7 Aogositra 2016

Fa tsy sitrako ny fahafatesan'izay maty, hoy Jehovah Tompo. Koa mibebaha ianareo mba ho velona.

Asabotsy 6 Aogositra 2016

Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana;
Fa mivily izay mandà anatra.

Zoma 5 Aogositra 2016

Raha velon'ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.

Alakamisy 4 Aogositra 2016

Izaho efa nandevona ny fahadisoanao tahaka ny fandevona ny zavona,
ary ny fahotanao tahaka ny rahona;
Koa miverena amiko, fa efa nanavotra anao Aho.

Alarobia 3 Aogositra 2016

Hanandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka ô,
Sy hankalaza ny anaranao mandrakizay doria.

Talata 2 Aogositra 2016

Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo. Aza manome fitoerana ho an'ny devoly.

Alatsinainy 1 Aogositra 2016

Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana