DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Oktobra 2018)

Alarobia 31 Oktobra 2018

Ny vy maharanitra ny vy,
Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin'ny sakaizany.

Talata 30 Oktobra 2018

Misy marary va eo aminareo? Aoka izy hampaka ny loholon'ny fiangonana; ary aoka hanosotra diloilo azy amin'ny anaran'ny Tompo ireo sady hivavaka eo aminy; ary ny fivavaky ny finoana dia hamonjy ilay marary, fa ny Tompo hanangana azy; ary raha nanota izy, dia havela ny helony.

Alatsinainy 29 Oktobra 2018

Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah.

Alahady 28 Oktobra 2018

Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa,
dia honina amin'ny tany ianao ka ho faly amin'ny fahamarinana.

Asabotsy 27 Oktobra 2018

Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.

Zoma 26 Oktobra 2018

Dia hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.

Alakamisy 25 Oktobra 2018

Maniry fatratra mandritra ny andro izy;
Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.

Alarobia 24 Oktobra 2018

Ary ny faharoa dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao. Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.

Talata 23 Oktobra 2018

Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin'i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.

Alatsinainy 22 Oktobra 2018

Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao,
Satria fifalian'ny foko izany.

Alahady 21 Oktobra 2018

Anefa noho ny fijangajangana dia aoka ny lehilahy rehetra samy hanana ny vadiny avy, ary aoka koa ny vehivavy rehetra samy hanana ny vadiny avy.

Asabotsy 20 Oktobra 2018

Ho amin'ny fanahinareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompo.

Zoma 19 Oktobra 2018

Izay mahambim-bava no miaro ny ainy;
Fa izay vavàna dia haringana.

Alakamisy 18 Oktobra 2018

Aoka ny rahalahy izay ambany hanao ny fisandratany ho reharehany; fa ny manan-karena kosa ny fietreny, satria ho levona tahaka ny vonin'ny ahitra izy.

Alarobia 17 Oktobra 2018

Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.

Talata 16 Oktobra 2018

Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako;
Tsy misy kilema ianao.

Alatsinainy 15 Oktobra 2018

Ary Jehovah no mandeha eo alohanao; ary Izy no hiaraka aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy; koa aza matahotra na mivadi-po ianao.

Alahady 14 Oktobra 2018

Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midìra amin'ny fifalian'ny tomponao.

Asabotsy 13 Oktobra 2018

Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy;
ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.

Zoma 12 Oktobra 2018

Mba homen'Andriamanitr'i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin'ny fahendrena sy ny fanambarana amin'ny fahalalana Azy tsara.

Alakamisy 11 Oktobra 2018

Mampahatanjaka ny reraka Izy,
ary izay kely hery dia omeny hery be.

Alarobia 10 Oktobra 2018

Ny lalàn'ny fahamarinanao no fidiko;
Apetrako eo anatrehako ny fitsipikao.

Talata 9 Oktobra 2018

Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin'ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin'ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa ny aina tsy mihoatra noho ny hanina va, ary ny tena noho ny fitafiana?

Alatsinainy 8 Oktobra 2018

Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy.

Alahady 7 Oktobra 2018

Izay mandinika ny teny no hahita soa;
Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra.

Asabotsy 6 Oktobra 2018

Koa araka ny ananantsika andro hanaovana, dia aoka isika hanao soa amin'ny olona rehetra, indrindra fa amin'ny mpianakavin'ny finoana.

Zoma 5 Oktobra 2018

Ary ny faharoa, izay tahaka azy ihany, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

Alakamisy 4 Oktobra 2018

Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra,
Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra,
Fa Izy handamina ny lalanao.

Alarobia 3 Oktobra 2018

Ary nahoana ianao no mijery ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao, fa ny andry eo amin'ny masonao dia tsy mba tsaroanao?

Talata 2 Oktobra 2018

Dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra Aho, ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto, ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany; satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.

Alatsinainy 1 Oktobra 2018

Izay mino anatra dia ho tonga eo amin'ny lalan'ny fiainana;
Fa mivily izay mandà anatra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana