DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Aogositra 2019)

Asabotsy 31 Aogositra 2019

Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin'ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin'ny voalohany, dia hitoetra ao amin'ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.

Zoma 30 Aogositra 2019

Ity no andro nataon'i Jehovah;
Hifaly sy ho ravoravo amin'izao isika.

Alakamisy 29 Aogositra 2019

Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby.

Alarobia 28 Aogositra 2019

Ary ankehitriny dia ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana: fa ny fitiavana no lehibe amin'ireo.

Talata 27 Aogositra 2019

Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy?
Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?

Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Fa ny fahendrena izay avy any ambony dia madio aloha, ary tia fihavanana, mandefitra, mora alahatra, be famindram-po sy be voka-tsoa, tsy miahanahana na mihatsaravelatsihy.

Alahady 25 Aogositra 2019

Fa finoana no andehanantsika, fa tsy fahitana.

Asabotsy 24 Aogositra 2019

Jehovah ô, henoy ny fivavako,
ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao;
Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.

Zoma 23 Aogositra 2019

Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin'ny tahotra indray ianareo, fa nandray ny fanahin'ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.

Alakamisy 22 Aogositra 2019

Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.

Alarobia 21 Aogositra 2019

Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana;
Fa avy ao aminy no ihavian'ny aina.

Talata 20 Aogositra 2019

Iray ihany no Mpanome lalàna sy Mpitsara, dia Ilay mahavonjy sy mahavery; fa iza moa ianao, no mitsara ny namanao?

Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.

Alahady 18 Aogositra 2019

Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah,
fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.

Asabotsy 17 Aogositra 2019

Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo?

Zoma 16 Aogositra 2019

Ary hoy Izy taminy: Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra.

Alakamisy 15 Aogositra 2019

Fa ny famindram-pon'i Jehovah
dia hatramin'ny taloha indrindra
ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy
Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.
Dia amin'izay mitandrina ny fanekeny
Sy mahatsiaro hankatò ny didiny.

Alarobia 14 Aogositra 2019

Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan'i Kristy, fa ho amin'izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.

Talata 13 Aogositra 2019

Izay mino sy atao batisa no hovonjena; fa izay tsy mety mino no hohelohina.

Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Ny anaran'i Jehovah dia tilikambo mafy;
Ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy.

Alahady 11 Aogositra 2019

Fa raha velona isika, dia velona ho an'ny Tompo; ary raha maty isika, dia maty ho an'ny Tompo; koa amin'izany, na velona na maty isika, dia an'ny Tompo ihany.

Asabotsy 10 Aogositra 2019

Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano.

Zoma 9 Aogositra 2019

Fanilon'ny tongotro
Sy fanazavana ny lalako ny teninao.

Alakamisy 8 Aogositra 2019

Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza, mandray azy hitsaranareo ny eritreriny.

Alarobia 7 Aogositra 2019

Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin'izay ny masony, ka nanaraka an'i Jesosy teny an-dalana izy.

Talata 6 Aogositra 2019

Jehovah miaro ny vahiny
Ary manandratra ny kamboty sy ny mpitondratena,
Fa mamadika ny lalan'ny ratsy fanahy kosa.

Alatsinainy 5 Aogositra 2019

Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.

Alahady 4 Aogositra 2019

Fa mahatoky ny Tompo, Izay hampahery sy hiaro anareo tsy ho azon'ny ratsy.

Asabotsy 3 Aogositra 2019

Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;
Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.

Zoma 2 Aogositra 2019

Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany.

Alakamisy 1 Aogositra 2019

Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin'Andriamanitra ka mitandrina izany.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana