DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Mey 2020)

Alahady 31 Mey 2020

Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy.

Asabotsy 30 Mey 2020

Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay.

Zoma 29 Mey 2020

Mandeha faingana aho ka tsy mitaredretra,
Amin'ny fitandremana ny didinao.

Alakamisy 28 Mey 2020

Aza mankahala ny rahalahinao amin'ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy. Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin'izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.

Alarobia 27 Mey 2020

Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.

Talata 26 Mey 2020

Sambatra izay olona mahita fahendrena
Sy izay olona mahazo fahalalana.

Alatsinainy 25 Mey 2020

Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny,
Katsaho mandrakariva ny tavany.

Alahady 24 Mey 2020

Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.

Asabotsy 23 Mey 2020

Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô,
araka ny fahasoavanao;
araka ny haben'ny fiantranao
vonoy ny fahadisoako.
Sasao madio aho mba ho afa-keloka,
ary diovy aho mba ho afa-pahotana.

Zoma 22 Mey 2020

Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany.

Alakamisy 21 Mey 2020

Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra.

Alarobia 20 Mey 2020

Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry,
Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina.

Talata 19 Mey 2020

Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.

Alatsinainy 18 Mey 2020

Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena.

Alahady 17 Mey 2020

Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah.
Haleloia.

Asabotsy 16 Mey 2020

Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.

Zoma 15 Mey 2020

Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lò, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason'Andriamanitra.

Alakamisy 14 Mey 2020

Ny tenin'Andriamanitra dia voadio avokoa;
Ampinga ho an'izay mialoka aminy Izy.

Alarobia 13 Mey 2020

Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.

Talata 12 Mey 2020

Koa lazaiko aminareo: Na inona na inona tononinareo amin'ny fivavahana sy angatahinareo, dia minoa fa efa nandray ianareo, dia ho azonareo izany.

Alatsinainy 11 Mey 2020

An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.
Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.

Alahady 10 Mey 2020

Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

Asabotsy 9 Mey 2020

Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.

Zoma 8 Mey 2020

Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena,
Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.

Alakamisy 7 Mey 2020

Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo.

Alarobia 6 Mey 2020

Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

Talata 5 Mey 2020

ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao;
mitady Anao fatratra aho;
mangetaheta Anao ny fanahiko,
maniry Anao ny nofoko,
eto amin'ny tany maina
sy mangentana tsy misy rano.

Alatsinainy 4 Mey 2020

Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.

Alahady 3 Mey 2020

Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.

Asabotsy 2 Mey 2020

Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny
Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.

Zoma 1 Mey 2020

Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana