DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Febroary 2018)

Alarobia 28 Febroary 2018

Fa hoy Paoly: Jaona nanao ny batisan'ny fibebahana ka nilaza tamin'ny olona hino Izay ho avy manaraka azy, dia Jesosy.

Talata 27 Febroary 2018

Ataovy marina ny alehan'ny tongotrao,
Dia ho voalamina ny alehanao rehetra.

Alatsinainy 26 Febroary 2018

Inona ary no holazaintsika ny amin'izany zavatra izany? Raha Andriamanitra momba antsika, iza no hahatohitra antsika?

Alahady 25 Febroary 2018

Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr'Andriamanitra?

Asabotsy 24 Febroary 2018

Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra;
Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.

Zoma 23 Febroary 2018

Anaka, arovy ny tenanareo amin'ny sampy.

Alakamisy 22 Febroary 2018

Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo.

Alarobia 21 Febroary 2018

Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah
Toy izay harena be misy ahiahy.

Talata 20 Febroary 2018

Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika, Izay niteraka antsika indray araka ny haben'ny famindram-pony ho amin'ny fanantenana velona tamin'ny nitsanganan'i Jesosy Kristy tamin'ny maty.

Alatsinainy 19 Febroary 2018

Ary izy sy ny manodidina ny havoanako dia hataoko fitaziana, ary hampilatsaka ranonorana amin'ny fotoany Aho, dia ranonoram-pitahiana mivatravatra.

Alahady 18 Febroary 2018

Hoy izaho ny amin'i Jehovah: Tompoko Hianao;
tsy misy soa ananako azo oharina aminao.

Asabotsy 17 Febroary 2018

Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.

Zoma 16 Febroary 2018

Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay.

Alakamisy 15 Febroary 2018

Izay manisy soa olona hohatavezina;
Ary izay mandena dia mba holemana kosa.

Alarobia 14 Febroary 2018

Ary na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.

Talata 13 Febroary 2018

Omeo izay rehetra mangataka aminao; ary raha misy maka ny anananao, dia aza manaraka izany aminy.

Alatsinainy 12 Febroary 2018

Jehovah Tompo no tanjako,
Ary manao ny tongotro ho toy ny an'ny dieravavy Izy
Ka mampandeha ahy any amin'ny havoanako.

Alahady 11 Febroary 2018

Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona.

Asabotsy 10 Febroary 2018

Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

Zoma 9 Febroary 2018

Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia;
Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.

Alakamisy 8 Febroary 2018

Ary Izay manome voa ho an'ny mpamafy sy mofo hohanina dia hanome sy hahabe ny voa afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny fahamarinanareo.

Alarobia 7 Febroary 2018

Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

Talata 6 Febroary 2018

Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo;
Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.

Alatsinainy 5 Febroary 2018

Fa efa nantsoina ho amin'ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin'ny fitiavana.

Alahady 4 Febroary 2018

Koa raha meloka amin'ny anankiray amin'ireo izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany.

Asabotsy 3 Febroary 2018

Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.

Zoma 2 Febroary 2018

Ary amin'izany dia aza manahy ny amin'ny ampitso ianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.

Alakamisy 1 Febroary 2018

Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano,
ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Manopy ny masoko ho amin'ny tendrombohitra aho;
Avy aiza ny famonjena ahy?
Ny famonjena ahy dia avy amin'i Jehovah,
Mpanao ny lanitra sy ny tany.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana