DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Martsa 2018)

Asabotsy 31 Martsa 2018

Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.

Zoma 30 Martsa 2018

Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.

Alakamisy 29 Martsa 2018

Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho;
hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.

Alarobia 28 Martsa 2018

Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao.

Talata 27 Martsa 2018

Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.

Alatsinainy 26 Martsa 2018

Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray;
Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay;
Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.

Alahady 25 Martsa 2018

Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora.

Asabotsy 24 Martsa 2018

Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy.

Zoma 23 Martsa 2018

Aza mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy,
Raha azon'ny tananao atao ihany.

Alakamisy 22 Martsa 2018

Tsy fantatrao va?
Tsy efa renao va
fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah,
izay namorona ny faran'ny tany?
Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy;
Tsy takatry ny saina ny fahalalany.

Alarobia 21 Martsa 2018

Ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason'ny olona ary tao amin'ny isan-trano.

Talata 20 Martsa 2018

Sambatra izay olona mahita fahendrena
Sy izay olona mahazo fahalalana.

Alatsinainy 19 Martsa 2018

Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako:
Dia ny hamaha ny famatoran'ny faharatsiana,
sy hanaboraka ny fehin'ny zioga,
sy handefa ny ampahorina ho afaka,
ary hanapatapaka ny zioga rehetra?

Alahady 18 Martsa 2018

Fa Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao, ary Izy no mihazona azy, sady Izy koa no antony; Izy anie no homem-boninahitra mandrakizay. Amena.

Asabotsy 17 Martsa 2018

Aoka ny masonao hijery mahitsy,
Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.

Zoma 16 Martsa 2018

Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky Ilay efa nanao ny teny fikasana).

Alakamisy 15 Martsa 2018

Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin'ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana.

Alarobia 14 Martsa 2018

Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an'ny fanahinao;
Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana,
Ka tsy ho foana ny fanantenanao.

Talata 13 Martsa 2018

Koa amin'izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindram-pon'Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany.

Alatsinainy 12 Martsa 2018

Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy.

Alahady 11 Martsa 2018

Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.

Asabotsy 10 Martsa 2018

Ary dia niray saina isan'andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan'ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin'ny fifaliana sy ny fahatsaram-po, nidera an'Andriamanitra sady nahita fitia tamin'ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin'ny Tompo isan'andro ho isan'ireo.

Zoma 9 Martsa 2018

Tamin'ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin'Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.

Alakamisy 8 Martsa 2018

Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko,
Ary ny teniny no nanantenako.

Alarobia 7 Martsa 2018

Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin'Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.

Talata 6 Martsa 2018

Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an'izay naniraka Ahy.

Alatsinainy 5 Martsa 2018

Esory aminao ny vava mandainga,
Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.

Alahady 4 Martsa 2018

Koa miomana kosa ianareo; fa amin'izay ora tsy ampoizinareo no hihavian'ny Zanak'olona.

Asabotsy 3 Martsa 2018

Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin'ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.

Zoma 2 Martsa 2018

Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô;
ampianaro ny sitrakao aho.

Alakamisy 1 Martsa 2018

Na iza na iza manaiky fa Zanak'Andriamanitra Jesosy, dia mitoetra ao aminy Andriamanitra, ary izy kosa ao amin'Andriamanitra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana