DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Janoary 2018)

Alarobia 31 Janoary 2018

Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina;
Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.

Talata 30 Janoary 2018

Hampitomboina ho anareo anie ny famindram-po sy ny fiadanana ary ny fitiavana.

Alatsinainy 29 Janoary 2018

Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra
sady manana aretina tsy azo sitranina;
Iza moa no mahafantatra ny aminy?
Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa,
mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy,
dia araka ny vokatry ny asany.

Alahady 28 Janoary 2018

Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy;
Hotsarovana mandrakizay ny marina.

Asabotsy 27 Janoary 2018

Mandoava amin'izy rehetra izay tokony ho azy avy: vola hetra ho an'izay tokony handoavan-ketra, fadin-tseranana ho an'izay tokony handoavana fadin-tseranana'tahotra ho an'izay tokony hatahorana, haja ho an'izay tokony hohajaina.

Zoma 26 Janoary 2018

Mitoria ny teny, mazotoa, na amin'ny fotoana, na tsy amin'ny fotoana, mandrese lahatra, mamporisiha, mananara mafy amin'ny fahari-po sy ny fampianarana rehetra.

Alakamisy 25 Janoary 2018

Raha mitombo ny fananana, dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon'ny tompony, afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?

Alarobia 24 Janoary 2018

Ary ny vokatry ny fahamarinana dia afafy amin'ny fihavanana ho an'izay mampandroso ny fihavanana.

Talata 23 Janoary 2018

Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.

Alatsinainy 22 Janoary 2018

Ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny
Ary ny hitsiny, dia ny lalana tsara rehetra.

Alahady 21 Janoary 2018

Fa antomotra ny faran'ny zavatra rehetra; koa hendre ka mahonòna tena ho amin'ny fivavahana.

Asabotsy 20 Janoary 2018

Raha ny oloko izay nantsoina amin'ny anarako ho avy hanetry tena ka hivavaka sy hitady ny tavako ary hiala amin'ny ratsy fanaony, dia hihaino any an-danitra Aho ka hamela ny helony ary hahasitrana ny taniny.

Zoma 19 Janoary 2018

Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena,
Ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany.

Alakamisy 18 Janoary 2018

Fa iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?

Alarobia 17 Janoary 2018

Fa ianareo kosa, ry malala, dia ataovy izay handrosoanareo amin'ny finoanareo masina indrindra, ka mivavaha ao amin'ny Fanahy Masina; ary tehirizo ny tenanareo ao amin'ny fitiavan'Andriamanitra, miandry ny famindram-pon'i Jesosy Kristy Tompontsika ho fiainana mandrakizay.

Talata 16 Janoary 2018

Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy;
Fa ny zanaka adala mampalahelo ny reniny.

Alatsinainy 15 Janoary 2018

Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminao dia horesenao lahatra. Izany no lovan'ny mpanompon'i Jehovah sy fahamarinany avy amiko, hoy Jehovah.

Alahady 14 Janoary 2018

Ry malala, raha tsy mba manameloka antsika ny fontsika, dia manana fahasahiana eo anatrehan'Andriamanitra isika. Ary na inona na inona no angatahintsika dia raisintsika aminy, satria mitandrina ny didiny sy manao izay ankasitrahana eo imasony isika.

Asabotsy 13 Janoary 2018

Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.

Zoma 12 Janoary 2018

Indro, Izaho no Jehovah, Andriamanitry ny nofo rehetra; moa misy zava-mahagaga izay tsy haiko va?

Alakamisy 11 Janoary 2018

Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.

Alarobia 10 Janoary 2018

Anaka, tandremo ny teniko;
Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
Aza avela hiala eo imasonao izy,
Fa raketo ao am-ponao.

Talata 9 Janoary 2018

Fa na dia tsy mamontsina aza ny aviavy,
Ary tsy misy voany ny voaloboka,
Na dia mahadiso fanantenana aza ny oliva,
Ary tsy mahavokatra hohanina ny saha,
Na dia vonoina aza ny ondry ao amin'ny vala,
Ary tsy misy omby ao am-pahitra,
Nefa izaho dia mbola hifaly amin'i Jehovah ihany
Sy hiravoravo amin'Andriamanitry ny famonjena ahy.

Alatsinainy 8 Janoary 2018

Fa raha tàhiny mitondra fahoriana noho ny fahamarinana ianareo, dia sambatra; ary aza matahotra tahaka azy, ary aza mangorohoro ianareo.

Alahady 7 Janoary 2018

Sambatra ny olona
izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy,
ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota,
ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira.

Asabotsy 6 Janoary 2018

Ary hoy Izy: Izay mivoaka avy ao amin'ny olona, dia izany no mahaloto azy. Fa avy ao anatin'ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan'ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin'olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana: izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin'ny olona ka mahaloto azy.

Zoma 5 Janoary 2018

Nefa hoy Izy tamiko; Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko. dia tanterahina amin'ny fahalemena. Koa mainka sitrako ny hirehareha amin'ny fahalemeko, mba hitoeran'ny herin'i Kristy amiko.

Alakamisy 4 Janoary 2018

Satria izay be fahendrena dia be alahelo,
ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.

Alarobia 3 Janoary 2018

Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao; tsy handao anao na hahafoy anao Izy.

Talata 2 Janoary 2018

Miezaha mitady fihavanana amin'ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay. tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo.

Alatsinainy 1 Janoary 2018

Mampianara anay hanisa ny andronay,
Hahazoanay fo hendry.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa ny lalana rehetra izay nandidian'i Jehovah Andriamanitrareo anareo no halehanareo, mba ho velona ianareo ka hahita soa, ary ho maro andro any amin'ny tany izay holovanareo.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana