DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Desambra 2017)

Alahady 31 Desambra 2017

Izao no lazain'i Jehovah:
Mijanona eo an-dalana ianareo, ka izahao,
ary anontanio izay lalana masaka hatry ny ela.
Dia izay lalana mankany amin'ny tsara, ka iny no izory,
dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo;
Nefa hoy izy: Tsy hizotra izahay.

Asabotsy 30 Desambra 2017

Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy hisy hajanona ela intsony ny teniko; fa ny teny izay lazaiko dia hotanterahiko, hoy Jehovah Tompo.

Zoma 29 Desambra 2017

Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy,
Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona.

Alakamisy 28 Desambra 2017

Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indro, Hianao no nanao ny lanitra sy ny tany tamin'ny herinao lehibe sy ny sandrinao ahinjitra, ary tsy misy zava-mahagaga izay tsy hainao.

Alarobia 27 Desambra 2017

Ary apetraho aminy ny fanahianareo rehetra; fa Izy no miahy anareo.

Talata 26 Desambra 2017

Ka dia mitandrina ny lalan'ny fahamarinana Izy
Ary miambina ny lalan'ny olony masina.

Alatsinainy 25 Desambra 2017

Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain'ny Tompo ny mpaminany hoe: Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; Ary ny anarany hataon'ny olona hoe Imanoela, izany hoe, raha adika: Amintsika Andriamanitra.

Alahady 24 Desambra 2017

Fa raha mbola nisaina izany izy, indro, nisy anjelin'ny Tompo niseho taminy tamin'ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak'i Davida, aza matahotra hampakatra an'i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin'ny Fanahy Masina.

Asabotsy 23 Desambra 2017

Ary noho izany dia ny Tompo no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan'anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataony hoe Imanoela.

Zoma 22 Desambra 2017

Fa voasoratra hoe: Raha velona koa Aho, hoy Jehovah, ny lohalika rehetra handohalika amiko, Ary ny lela rehetra hidera an'Andriamanitra.

Alakamisy 21 Desambra 2017

Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa;
Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.

Alarobia 20 Desambra 2017

Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Manajà ny rainao sy ny reninao, ary: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.

Talata 19 Desambra 2017

Nefa noho ny haben'ny fiantranao dia tsy navelanao ho lany ringana izy ary tsy nafoinao, satria Andriamanitra mamindra fo sy miantra Hianao.

Alatsinainy 18 Desambra 2017

Fa mahitsy ny tenin'i Jehovah,
ary ny asany rehetra dia mahatoky avokoa.

Alahady 17 Desambra 2017

Koa tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.

Asabotsy 16 Desambra 2017

Fa isika rehetra kosa amin'ny tava tsy misarona dia mijery ny voninahitry ny Tompo toy ny amin'ny fitaratra, ka ovana hahazo izany endrika izany indrindra avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra, toy ny avy amin'ny Tompo, dia ny Fanahy.

Zoma 15 Desambra 2017

Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany;
Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.

Alakamisy 14 Desambra 2017

Mazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana.

Alarobia 13 Desambra 2017

Notadiavin'zay tsy naniry Aho sy hitan'izay tsy nitady; hoy Izaho tamin'ny firenena izay tsy nantsoina tamin'ny anarako: Inty Aho! Inty Aho!

Talata 12 Desambra 2017

Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay,
satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.

Alatsinainy 11 Desambra 2017

Ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an'izao tontolo izao koa.

Alahady 10 Desambra 2017

Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.

Asabotsy 9 Desambra 2017

Làlam-pahendrena no atoroko anao:
Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho.

Zoma 8 Desambra 2017

Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin'ny andro fitsarana noho ny amin'ny teny foana rehetra izay ataony.

Alakamisy 7 Desambra 2017

Dia tahaka izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan'ny maro, dia hiseho fanindroany, tsy amin'ota, amin'izay miandry Azy, ho famonjena.

Alarobia 6 Desambra 2017

Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô;
ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.

Talata 5 Desambra 2017

Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin'ny anaran'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo; ary, indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao.

Alatsinainy 4 Desambra 2017

Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin'izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.

Alahady 3 Desambra 2017

Izy mitahiry fanambinana ho an'ny mahitsy
Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny.

Asabotsy 2 Desambra 2017

Mifampitondrà izay mahavesatra, ary aoka izany no hahatanterahanareo ny lalàn'i Kristy.

Zoma 1 Desambra 2017

Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin'ny famaizana sy ny fananaran'ny Tompo izy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana