DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Janoary 2023)

Talata 31 Janoary 2023

Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

Alatsinainy 30 Janoary 2023

Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.

Alahady 29 Janoary 2023

Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.

Asabotsy 28 Janoary 2023

Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.

Zoma 27 Janoary 2023

Mahasitrana ny torotoro fo Izy
Sy mamehy ny feriny.

Alakamisy 26 Janoary 2023

Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra.

Alarobia 25 Janoary 2023

Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.

Talata 24 Janoary 2023

Raha mita ny rano ianao, dia homba anao Aho;
Ary raha mita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao izy;
Raha mandeha mamaky ny afo ianao, dia tsy ho may,
Ary tsy hirehitra aminao ny lelafo.

Alatsinainy 23 Janoary 2023

Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.

Alahady 22 Janoary 2023

Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.

Asabotsy 21 Janoary 2023

Fa izaho kosa dia hihira ny herinao,
ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina,
satria fiarovana avo ho ahy Hianao,
ary fandosirako amin'ny andro fahoriana.

Zoma 20 Janoary 2023

Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.

Alakamisy 19 Janoary 2023

Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.

Alarobia 18 Janoary 2023

Sambatra ny madio am-po;
fa izy no hahita an'Andriamanitra.

Talata 17 Janoary 2023

Tsy eranambatry va no vidin'ny tsintsina dimy? nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan'Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo.

Alatsinainy 16 Janoary 2023

Fa izay rehetra voasoratra fahiny dia nosoratana ho fianarantsika hananantsika ny fanantenana amin'ny faharetana sy ny fiononana avy amin'ny Soratra Masina.

Alahady 15 Janoary 2023

Hisaotra an'i Jehovah lalandava aho;
ho eo am-bavako mandrakariva ny fiderana Azy.

Asabotsy 14 Janoary 2023

Ary ho an'Andriamanitra Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Zoma 13 Janoary 2023

Mila ianareo, nefa tsy manana ihany; mamono sy mitsiriritra ianareo, nefa tsy mahazo ihany; mifanditra sy miady ianareo; tsy manana ianareo, satria tsy mangataka.

Alakamisy 12 Janoary 2023

Ny molotry ny marina mahalala izay ankasitrahana;
Fa ny vavan'ny ratsy fanahy dia feno fitaka.

Alarobia 11 Janoary 2023

Ary satria ny olona iray no nisehoan'ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan'ny fitsanganan'ny maty.

Talata 10 Janoary 2023

Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin'ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.

Alatsinainy 9 Janoary 2023

Fa Jehovah manavotra ny fanahin'ny mpanompony,
ka tsy mba hisy hohelohina izay rehetra mialoka aminy.

Alahady 8 Janoary 2023

Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.

Asabotsy 7 Janoary 2023

Sy haneken'ny lela rehetra fa Jesosy Kristy no Tompo ho voninahitr'Andriamanitra Ray.

Zoma 6 Janoary 2023

Ny didin'ny molony tsy mba nialako;
Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako.

Alakamisy 5 Janoary 2023

Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin'ny fanjakan'Andriamanitra izy.

Alarobia 4 Janoary 2023

Dia tafasaraka amin'i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana ianareo.

Talata 3 Janoary 2023

Misaora an'i Jehovah, ry fanahiko;
Ary izay rehetra ato anatiko, misaora ny anarany masina.

Alatsinainy 2 Janoary 2023

Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah,
Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho;
Andriamanitro no hihaino ahy.

Alahady 1 Janoary 2023

Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao
no mitantana ny tananao ankavanana,
dia ilay manao aminao hoe:
Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana