Talata 31 Oktobra 2023
Jehovah ô, ianao no mipetraka mandrakizay,eny, ny seza fiandriananao no maharitra hatramin'ny taranaka fara mandimby.
Alatsinainy 30 Oktobra 2023
Ry olombelona, efa naseho anao izay tsaraSy izay ilain'i Jehovah aminao,
Dia izao ihany: Ny hanao ny marina sy ny ho tia famindram-po
Ary ny hanaraka an'Andriamanitrao amin'ny fanetren-tena.
Alahady 29 Oktobra 2023
Endrey ny halalin'ny haren'Andriamanitra sy ny fahendreny ary ny fahalalany! ny fitsarany tsy hita lany, ary ny lalany tsy azo fantarina!Asabotsy 28 Oktobra 2023
Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha mifankatia.Zoma 27 Oktobra 2023
Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho;hanambara ny fahagaganao rehetra aho.
Alakamisy 26 Oktobra 2023
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.Alarobia 25 Oktobra 2023
Ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon'ny famonjena mandrakizay ho an'izay rehetra manaraka Azy.Talata 24 Oktobra 2023
Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy;Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina.
Alatsinainy 23 Oktobra 2023
Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra.Alahady 22 Oktobra 2023
Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin'Andriamanitra izany.Asabotsy 21 Oktobra 2023
Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy,Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.
Zoma 20 Oktobra 2023
Raha halan'izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.Alakamisy 19 Oktobra 2023
Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?Alarobia 18 Oktobra 2023
Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga;Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
Talata 17 Oktobra 2023
Ary izay tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.Alatsinainy 16 Oktobra 2023
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.Alahady 15 Oktobra 2023
Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po,fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.
Asabotsy 14 Oktobra 2023
Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.Zoma 13 Oktobra 2023
Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.Alakamisy 12 Oktobra 2023
Moa misy olona mahafin-tena ao amin'ny fierena va ka tsy ho hitako? hoy Jehovah. Tsy manerana ny lanitra sy ny tany va Aho? hoy Jehovah.Alarobia 11 Oktobra 2023
Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.Talata 10 Oktobra 2023
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.Alatsinainy 9 Oktobra 2023
Tsy mba havelany hangozohozo anie ny tongotrao;Tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao.
Alahady 8 Oktobra 2023
Fa Kristy no faran'ny lalàna ho fahamarinana ho an'izay rehetra mino.Asabotsy 7 Oktobra 2023
Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo".Zoma 6 Oktobra 2023
Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan'ny fon'ny zanak'olombelona amin'ny fanaovan-dratsy.Alakamisy 5 Oktobra 2023
Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.Alarobia 4 Oktobra 2023
Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay.Talata 3 Oktobra 2023
Izay manafina ny fahotany tsy hambinina;Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.
Alatsinainy 2 Oktobra 2023
Mitandrema ianareo, fandrao mahavery izay namonoanay tena, fa mba handraisanareo valim-pitia tanteraka.Alahady 1 Oktobra 2023
Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano,ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana;Afehezo eo am-bozonao izany,
Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara
Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.Andinin-teny manaraka !