Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.
Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany. Ary tiava an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ary ny herinao rehetra.
Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.
Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zananilahy izay manompo azy.
Anao, Jehovah ô, ny fahalehibiazana sy ny hery sy ny voninahitra sy ny famirapiratana ary ny fiandrianana, dia izay rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany; Anao ny fanjakana, Jehovah ô, ary Anao ny fisandratana ho Lohany ambonin'izy rehetra.
Koa raha manana ireo teny fikasana ireo isika, ry malala, dia aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin'ny fahalotoana rehetra, na amin'ny nofo, na amin'ny fanahy, ka hahatanteraka ny fahamasinana amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra.