DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Novambra 2016)

Alarobia 30 Novambra 2016

Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay.

Talata 29 Novambra 2016

Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka;
Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza.

Alatsinainy 28 Novambra 2016

Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.

Alahady 27 Novambra 2016

Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.

Asabotsy 26 Novambra 2016

Ny fahotako nambarako taminao,
ary ny heloko tsy mba nafeniko.
Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho;
ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.

Zoma 25 Novambra 2016

Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin'olona sy ny sodomita sy ny mpangalatra sy ny mpierina sy ny mpimamo sy ny mpanaratsy ary ny mpanao an-keriny dia tsy mba handova ny fanjakan'Andriamanitra.

Alakamisy 24 Novambra 2016

Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.

Alarobia 23 Novambra 2016

Izay hendry am-po no handray ny didy;
Fa ho lavo ny adala maro vava.

Talata 22 Novambra 2016

Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.

Alatsinainy 21 Novambra 2016

Fa izaho kosa dia hanandrandra an'i Jehovah,
Eny, hiandry an'Andriamanitry ny famonjena ahy aho;
Andriamanitro no hihaino ahy.

Alahady 20 Novambra 2016

Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro;
fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy;
Hianao no andrasako mandritra ny andro.

Asabotsy 19 Novambra 2016

Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.

Zoma 18 Novambra 2016

Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.

Alakamisy 17 Novambra 2016

Iza no ahy any an-danitra?
ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao.

Alarobia 16 Novambra 2016

Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.

Talata 15 Novambra 2016

Jehovah no anjarako, hoy ny fanahiko,
ka dia hanantena Azy aho.

Alatsinainy 14 Novambra 2016

Ny teny malemy dia hazon'aina;
Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.

Alahady 13 Novambra 2016

Mahatoky Andriamanitra, Izay nahatonga ny fiantsoana anareo hanananareo firaisana amin'ny Zanany, dia Jesosy Kristy Tompontsika.

Asabotsy 12 Novambra 2016

Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy.

Zoma 11 Novambra 2016

Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah,
Ary aza tofoka amin'ny fananarany;
Fa izay tian'i Jehovah no anariny,
Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.

Alakamisy 10 Novambra 2016

Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.

Alarobia 9 Novambra 2016

Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin'ny lanitra ambony sy etỳ amin'ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.

Talata 8 Novambra 2016

Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao
Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra.

Alatsinainy 7 Novambra 2016

Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?"

Alahady 6 Novambra 2016

Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.

Asabotsy 5 Novambra 2016

Maro ny fahorian'ny marina;
nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.

Zoma 4 Novambra 2016

Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.

Alakamisy 3 Novambra 2016

Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.

Alarobia 2 Novambra 2016

Aza mialona ny olon-dozabe,
Na mifidy izay lalany akory,
Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia,
Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.

Talata 1 Novambra 2016

Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana