DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Oktobra 2016)

Alatsinainy 31 Oktobra 2016

Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra.

Alahady 30 Oktobra 2016

Be saina izay mahatsindry fo;
Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.

Asabotsy 29 Oktobra 2016

Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran'Andriamanitra no mitoetra eo aminy.

Zoma 28 Oktobra 2016

Ary ny mpihazakazaka rehetra dia mahonon-tena amin'ny zavatra rehetra. Kanefa ireny dia mitady satro-boninahitra mety ho lò ihany, fa isika kosa ny tsy mety ho lò.

Alakamisy 27 Oktobra 2016

Hianao no fiereko,
miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao;
fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy.

Alarobia 26 Oktobra 2016

Hotahina izay olona matoky an'i Jehovah,
dia izay manana an'i Jehovah ho tokiny.
Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy,
izay mamaka eo anilan'ny rano mandeha,
ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro,
sady ho maitso ny raviny,
ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro,
fa tsy hitsahatra ny famoany.

Talata 25 Oktobra 2016

Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an'Andriamanitra sy Mamôna ianareo.

Alatsinainy 24 Oktobra 2016

Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy,
Ary ny fanahy noana dia vokisany soa.

Alahady 23 Oktobra 2016

Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin'izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.

Asabotsy 22 Oktobra 2016

Fa ny zavatra rehetra eo amin'izao tontolo izao, dia ny filan'ny nofo sy ny filan'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin'ny Ray, fa avy amin'izao tontolo izao ihany.

Zoma 21 Oktobra 2016

Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah.
Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy
Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.

Alakamisy 20 Oktobra 2016

Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy,
fa manafaha anay amin'ny ratsy.

Alarobia 19 Oktobra 2016

Fa mahasoa kely ihany ny fampiasana ny tena; fa ny toe-panahy araka an'Andriamanitra no mahasoa amin'ny zavatra rehetra ka manana ny teny fikasana ny amin'ny fiainana ankehitriny sy ny ho avy koa.

Talata 18 Oktobra 2016

Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana;
Afehezo eo am-bozonao izany,
Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara
Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.

Alatsinainy 17 Oktobra 2016

Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.

Alahady 16 Oktobra 2016

Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masina ho an'ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin'i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.

Asabotsy 15 Oktobra 2016

Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako;
Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.

Zoma 14 Oktobra 2016

Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika: fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin'ny fitarainana tsy azo tononina.

Alakamisy 13 Oktobra 2016

Fa izay rehetra naterak'Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.

Alarobia 12 Oktobra 2016

Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena;
Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina.

Talata 11 Oktobra 2016

Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra.

Alatsinainy 10 Oktobra 2016

Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.

Alahady 9 Oktobra 2016

Mitadiava an'i Jehovah sy ny heriny
Katsaho mandrakariva ny tavany.

Asabotsy 8 Oktobra 2016

Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.

Zoma 7 Oktobra 2016

Ary mamelà ny helokay tahaka
ny namelanay izay meloka taminay.

Alakamisy 6 Oktobra 2016

Mamindra fo sy miantra Jehovah,
Mahari-po sady be famindram-po.

Alarobia 5 Oktobra 2016

Ny didin'ny molony tsy mba nialako;
Ny tenin'ny vavany noraketiko mihoatra noho ny faniriako.

Talata 4 Oktobra 2016

Koa ario ny fahalotoana sy ny lolompo rehetra, ary ekeo amin'ny fahalemem-panahy ny teny nambolena, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Alatsinainy 3 Oktobra 2016

Fa Fanahy iray ihany no nanaovam-batisa antsika rehetra ho tena iray, na Jiosy an jentilisa, na andevo na tsy andevo; ary isika rehetra dia efa nampisotroina ny Fanahy iray.

Alahady 2 Oktobra 2016

Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy,
dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.

Asabotsy 1 Oktobra 2016

Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana