DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Desambra 2016)

Asabotsy 31 Desambra 2016

Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin'ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin'ny finoanareo, mba hitomboanareo amin'ny fanantenana noho ny herin'ny Fanahy Masina.

Zoma 30 Desambra 2016

Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron'ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin'izao tontolo izao hibebaka.

Alakamisy 29 Desambra 2016

Izay mandeha tsy misy tsiny no mandeha matoky;
Fa izay maniasia amin'ny alehany dia fantatra.

Alarobia 28 Desambra 2016

Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.

Talata 27 Desambra 2016

Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.

Alatsinainy 26 Desambra 2016

Tahaka ny halavitry ny atsinanana amin'ny andrefana
No halavitry ny anesorany ny fahotantsika amintsika.

Alahady 25 Desambra 2016

Voninahitra any amin'ny avo Indrindra ho an'Andriamanitra!
Ary fiadanana ho etỳ ambonin'ny tany amin'ny olona ankasitrahany.

Asabotsy 24 Desambra 2016

Ary Josefa koa niakatra avy tany Galilia, dia avy tao an-tanàna Nazareta, hankany Jodia, ho ao an-tanànan'i Davida, iza atao hoe Betlehema (satria avy tamin'ny taranak'i Davida sy ny mpianakaviny), mba hosoratana izy sy Maria fofom-badiny, izay efa bevohoka.

Zoma 23 Desambra 2016

Ampamirapirato amin'ny mpanomponao ny tavanao;
vonjeo amin'ny famindram-ponao aho.

Alakamisy 22 Desambra 2016

Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.

Alarobia 21 Desambra 2016

Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.

Talata 20 Desambra 2016

Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho;
hanambara ny fahagaganao rehetra aho.

Alatsinainy 19 Desambra 2016

Ataovy ny zavatra rehetra amin'ny tsi-fimonomononana sy ny tsi-fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin'izao tontolo izao, mitana ny tenin'ny fiainana.

Alahady 18 Desambra 2016

Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.

Asabotsy 17 Desambra 2016

Aza manasa-tena hanan-karena,
Aza entina amin'izany ny fahendrenao.
Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy?
Fa maniry elatra tokoa izy
Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra.

Zoma 16 Desambra 2016

Fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho".

Alakamisy 15 Desambra 2016

Jehovah momba anareo, raha ianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa ianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy ianareo, dia hahafoy anareo Izy.

Alarobia 14 Desambra 2016

Fa Jehovah tia rariny
sady tsy hahafoy ny olony masina;
Harovana mandrakizay ireo;
Fa taranaky ny ratsy fanahy hofongorana.

Talata 13 Desambra 2016

Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po.

Alatsinainy 12 Desambra 2016

Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.

Alahady 11 Desambra 2016

Aza manao anao ho hendry;
Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
Dia ho famelombelomana ny nofonao izany
Sy ho fanamandoana ny taolanao.

Asabotsy 10 Desambra 2016

Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia hovonjena.

Zoma 9 Desambra 2016

Ary ny Tompo hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra ka hamonjy ahy ho any amin'ny fanjakany any an-danitra; ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Alakamisy 8 Desambra 2016

Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy
amin'ny andro rehetra hiainako,
dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho.

Alarobia 7 Desambra 2016

Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.

Talata 6 Desambra 2016

Ary, indro, efa handeha ho amin'ny lalana falehan'ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.

Alatsinainy 5 Desambra 2016

Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena,
Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.

Alahady 4 Desambra 2016

Nefa amintsika kosa dia Andriamanitra iray ihany, dia ny Ray, Izay nihavian'ny zavatra rehetra, ary ho Azy isika; ary iray ihany ny Tompo, dia Jesosy Kristy, Izay nahariana ny zavatra rehetra sady nahariana antsika koa.

Asabotsy 3 Desambra 2016

Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy.

Zoma 2 Desambra 2016

Mitahy antsika Andriamanitra;
ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.

Alakamisy 1 Desambra 2016

Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana