DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Mey 2018)

Alakamisy 31 Mey 2018

Sambatra ny olona izay voavela
ny helony sy voasarona ny fahotany.

Alarobia 30 Mey 2018

Aoka hanan-kaja amin'ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandriana; fa ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin'olona dia hohelohin'Andriamanitra.

Talata 29 Mey 2018

Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy, tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra.

Alatsinainy 28 Mey 2018

Jehovah handidy ny famindram-pony nony andro,
ary ho amiko nony alina ny fihirana Azy,
dia vavaka amin'Andriamanitry ny aiko.

Alahady 27 Mey 2018

Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no maharitra mandrakizay.

Asabotsy 26 Mey 2018

Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina.

Zoma 25 Mey 2018

Tamin'ny foko rehetra no nitadiavako Anao;
Aza avela hivily hiala amin'ny didinao aho.

Alakamisy 24 Mey 2018

Ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin'ny fo, tahaka ny ho an'ny Tompo, fa tsy ho an'olona, satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an'i Kristy Tompo ianareo.

Alarobia 23 Mey 2018

Ary izy ireo naharitra tamin'ny fampianaran'ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.

Talata 22 Mey 2018

Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy;
Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina.

Alatsinainy 21 Mey 2018

Izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao aminy isika, ary Izy ato amintsika, dia ny nanomezany antsika ny Fanahiny.

Alahady 20 Mey 2018

Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.

Asabotsy 19 Mey 2018

Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra
Dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha.
Izaho hilaza an'i Jehovah hoe:
Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy
Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.

Zoma 18 Mey 2018

Aoka ny fitiavana ho amin'ny tsi-fihatsaram-belatsihy; mankahalà ny ratsy; mifikira amin'ny tsara.

Alakamisy 17 Mey 2018

Fa toy ny ananantsika zavatra maro momba ny tena iray, nefa tsy mitovy asa izay rehetra momba ny tena, dia toy izany koa isika, na dia maro aza, dia tena iray ihany ao amin'i Kristy, ary samy miara-momba ny tena isika rehetra.

Alarobia 16 Mey 2018

Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin'ny fifampialonan'ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.

Talata 15 Mey 2018

Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray. Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?

Alatsinainy 14 Mey 2018

Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia mba havela ianareo.

Alahady 13 Mey 2018

Nahoana no mitanondrika ianao, ry fanahiko?
ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao?
Manantenà an'Andriamanitra,
fa mbola hidera Azy ihany aho,
Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.

Asabotsy 12 Mey 2018

Tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana.

Zoma 11 Mey 2018

Ny harena azoazo foana dia mihena lalandava;
Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.

Alakamisy 10 Mey 2018

Ary Jesosy nitondra azy hatrany Betania, dia nanandratra ny tànany ka nitso-drano azy. Ary raha mbola nitso-drano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra.

Alarobia 9 Mey 2018

Ary hoy Izy tamin'ny olona: Mitandrema, ka miarova tena mba tsy ho azon'ny fieremana ianareo; fa ny ain'ny olona tsy miankina amin'ny habetsahan'ny zavatra ananany.

Talata 8 Mey 2018

Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.

Alatsinainy 7 Mey 2018

Mitady an'i Jehovah aho, dia mamaly ahy Izy
ka manafaka ahy amin'ny tahotro rehetra.

Alahady 6 Mey 2018

Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.

Asabotsy 5 Mey 2018

Fa efa tonga mpiombona amin'i Kristy isika, raha mihazona mafy ny fiandohan'ny fahatokiantsika hatramin'ny farany.

Zoma 4 Mey 2018

Mahasitrana ny torotoro fo Izy
Sy mamehy ny feriny.

Alakamisy 3 Mey 2018

Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin'ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.

Alarobia 2 Mey 2018

Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana.

Talata 1 Mey 2018

Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Ny Tompo tsy mahela ny teny fikasany, araka izay ataon'ny sasany ho fahelany; fa mahari-po aminareo Izy, ka tsy tiany hisy ho very, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana izy rehetra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana