DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Jona 2018)

Asabotsy 30 Jona 2018

Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.

Zoma 29 Jona 2018

Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo.

Alakamisy 28 Jona 2018

Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy:
Fa mandrakizay ny famindram-pony.

Alarobia 27 Jona 2018

Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana;
Fa ao amin'ny mino anatra no misy fahendrena.

Talata 26 Jona 2018

Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an'izay nanaovana azy izy.

Alatsinainy 25 Jona 2018

Mifalia mandrakariva amin'ny Tompo; hoy izaho indray: Mifalia.

Alahady 24 Jona 2018

Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko;
avy aminy ny famonjena ahy.

Asabotsy 23 Jona 2018

Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo.

Zoma 22 Jona 2018

Dia isika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an'Andriamanitra aza.

Alakamisy 21 Jona 2018

Jehovah ô, efa nandinika ahy
Hianao ka mahalala ahy.
Hianao no mahalala ny fipetrako sy ny fitsangako
Sady mahafantatra ny hevitro eny lavitra eny.

Alarobia 20 Jona 2018

Manaraha an'i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.

Talata 19 Jona 2018

Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin'ny voninahiny mandrakizay ao amin'i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.

Alatsinainy 18 Jona 2018

Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra atỳ ambanin'ny lanitra.

Alahady 17 Jona 2018

Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.

Asabotsy 16 Jona 2018

Fa iza no olona mahalala ny ao am-pon'olona, afa-tsy ny fanahin'ny olona izay ao anatiny ihany? Ary toy izany koa, tsy misy mahalala ny ao am-pon'Andriamanitra afa-tsy ny Fanahin'Andriamanitra ihany.

Zoma 15 Jona 2018

Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy,
Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.

Alakamisy 14 Jona 2018

Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan'ny mihaino fahasoavana.

Alarobia 13 Jona 2018

Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona.

Talata 12 Jona 2018

Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko;
maraina no hivavahako aminao, ka hanandrandra aho.

Alatsinainy 11 Jona 2018

Koa amin'izany, raha manao fiantrana ianao, aza mba mitsoka trompetra eo aloanao tahaka ny fanaon'ny mpihatsaravelatsihy eo amin'ny synagoga sy eny an-dalambe mba hankalazan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany.

Alahady 10 Jona 2018

Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny fahasoavana izay ao amin'i Kristy Jesosy.

Asabotsy 9 Jona 2018

Sambatra izay mitandrina ny teni-vavolombelony
Ka mitady Azy amin'ny fo rehetra.

Zoma 8 Jona 2018

Eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy.

Alakamisy 7 Jona 2018

Ry malala, mangataka aho mba hambinina sy ho salama amin'ny zavatra rehetra anie ianao, tahaka izay anambinana ny fanahinao ihany.

Alarobia 6 Jona 2018

Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra,
noho ny fitarainako mandrakariva.

Talata 5 Jona 2018

Ary Jesosy niteny tamin'ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan'izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan'aina.

Alatsinainy 4 Jona 2018

Fa aoka ho mpankatò ny teny ianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.

Alahady 3 Jona 2018

Apetraho amin'i Jehovah ny entanao,
ary Izy no hanohana anao;
tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina.

Asabotsy 2 Jona 2018

Ary ny fonareo no triatriaro,
fa aza ny fitafianareo,
ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo;
Fa mamindra fo sy miantra Izy,
mahari-po sady be famindram-po
ary manenina ny amin'ny loza.

Zoma 1 Jona 2018

Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin'ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin'Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain'Andriamanitra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana