Talata 31 Jolay 2018
Mifohaza tsara, ary aza manota; fa ny sasany tsy manana ny fahalalana an'Andriamanitra; ny hampahamenatra anareo no ilazako izany.Alatsinainy 30 Jolay 2018
Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa;Fa ny hendry kosa manindry fo.
Alahady 29 Jolay 2018
Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.Asabotsy 28 Jolay 2018
Ary na Saraha aza, dia finoana koa no nandraisany hery hanan'anaka, rehefa nitsaha-jaza izy, satria nataony fa mahatoky Ilay efa nanome ny teny fikasana.Zoma 27 Jolay 2018
Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah,eny, Andriamanitro no nitarainako;
nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy,
ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny.
Alakamisy 26 Jolay 2018
Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin'i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran'ny fahasoavan'Andriamanitra.Alarobia 25 Jolay 2018
Ataovy izay efa nianaranareo sy efa noraisinareo ary efa renareo sy efa hitanareo tamiko; ary ho aminareo ny Andriamanitry ny fiadanana.Talata 24 Jolay 2018
Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa;Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
Alatsinainy 23 Jolay 2018
Ary ilay nafafy teny amin'ny tsilo dia izay mandre ny teny ary ny fiahiahiana izao fiainana izao sy ny fitaky ny harena mangeja ny teny, ka dia tsy mamoa izy.Alahady 22 Jolay 2018
Iza no Andriamanitra tahaka Anao,Izay mamela heloka
Sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany?
Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy,
Fa tia famindram-po.
Asabotsy 21 Jolay 2018
Ny fanomezan'ny olona dia mahalalaka ny alehany,Hahatonga azy eo anatrehan'ny lehibe.
Zoma 20 Jolay 2018
Aza mety hofitahina ianareo; ny fikambanana amin'ny ratsy manimba ny fitondran-tena tsara.Alakamisy 19 Jolay 2018
Ry malala, aza mino ny fanahy rehetra, fa izahao toetra ny fanahy, na avy amin'Andriamanitra ireny, na tsia, satria maro ny mpaminany sandoka efa lasa any amin'izao tontolo izao.Alarobia 18 Jolay 2018
Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto?Ny fitandremana araka ny teninao.
Talata 17 Jolay 2018
Miambena ianareo, tomoera tsara amin'ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.Alatsinainy 16 Jolay 2018
Mainka fa ny ran i Kristy, Izay nanatitra ny tenany tsy manan-tsiny ho an'Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, no hahadio ny fieritreretanareo ho afaka amin'ny asa maty mba hanompoanareo an'Andriamanitra velona.Alahady 15 Jolay 2018
Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery,Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.
Asabotsy 14 Jolay 2018
Tsy manan-tahotra ny fitiavana; fa ny fitiavana tanteraka mandroaka ny tahotra; fa mampahory ny tahotra. Fa izay matahotra dia tsy mbola tanteraka amin'ny fitiavana.Zoma 13 Jolay 2018
Tsy fantatrareo va fa tempolin'Andriamanitra ianareo, ary ny Fanahin'Andriamanitra mitoetra no anatinareo?Alakamisy 12 Jolay 2018
Fa, indro, tsy misy teny tsy fantatraoeo amin'ny lelako, Jehovah ô.
Alarobia 11 Jolay 2018
Fa hoy Jesosy: Izay zavatra tsy hain'ny olona dia hain'Andriamanitra.Talata 10 Jolay 2018
Raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio, dia hasandratr'i Jehovah Andriamanitrao ho ambonin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianao.Alatsinainy 9 Jolay 2018
Jehovah ô, aoka ny famindram-ponao hitoetra aminayaraka ny anantenanay Anao.
Alahady 8 Jolay 2018
Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana;fa izy no hovokisana.
Asabotsy 7 Jolay 2018
Mba hampifalina ny fony amin'ny ampiraisana azy amin'ny fitiavana sy ho amin'ny haren'ny fahatokiana be avy amin'ny fahazavan-tsaina, ho amin'ny fahalalana tsara ny zava-miafina izay an'Andriamanitra, dia Kristy.Zoma 6 Jolay 2018
Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin'ny fisasarana rehetra izay isasaran'ny olona atỳ ambanin'ny masoandro amin'izay andro vitsy iainany omen'Andriamanitra azy; fa izany no anjarany.Alakamisy 5 Jolay 2018
Izay, na dia tsy mbola hitanareo aza, dia tianareo, ary na dia tsy hitanareo ankehitriny aza, anefa, satria inoanareo, dia iravoravoanareo amin'ny fifaliana tsy azo tononina sady be voninahitra, mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy.Alarobia 4 Jolay 2018
Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.Talata 3 Jolay 2018
Mihirà ho an'Andriamanitra, mankalazà ny anarany;manamboara lalana ho an'izay mitaingina mamaky ny efitra
Jehovah no anarany ary mifalia eo anatrehany.
Rain'ny kamboty sy Mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra,
ao amin'ny fonenany masina.
Alatsinainy 2 Jolay 2018
Ary raha mivavaka ianareo, dia aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa; Fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy.Alahady 1 Jolay 2018
Ary tsy nitsahatra nampianatra sy nitory an'i Jesosy ho Kristy isan'andro teo an-kianjan'ny tempoly sy tao an-trano izy.Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery;Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Mampahatanjaka ny reraka Izy,ary izay kely hery dia omeny hery be.Andinin-teny manaraka !