DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Aogositra 2018)

Zoma 31 Aogositra 2018

Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra; fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.

Alakamisy 30 Aogositra 2018

Aza misy mamita-tena. Raha misy eo aminareo manao azy ho hendry amin'izao tontolo izao, aoka ho adala izy mba ho hendry.

Alarobia 29 Aogositra 2018

Izay tia vola tsy hety ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be tsy hety ho vokin'ny fitomboan-karena; fa zava-poana koa izany.

Talata 28 Aogositra 2018

Fa izay tarihin'ny Fanahin'Andriamanitra no zanak'Andriamanitra.

Alatsinainy 27 Aogositra 2018

Ary raha nahare izany izy, dia natao batisa ho amin'ny anaran'i Jesosy Tompo. Ary rehefa nametrahan'i Paoly tanana izy, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina; ary niteny tamin'ny teny tsy fantatra izy sady naminany.

Alahady 26 Aogositra 2018

Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina,
Fa Hianao no itokiako;
Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako,
Fa aminao no ananganako ny fanahiko.

Asabotsy 25 Aogositra 2018

Fa Andriamanitro hahatanteraka izay rehetra tokony ho anareo araka ny hareny amin'ny voninahitra no amin'i Kristy Jesosy.

Zoma 24 Aogositra 2018

Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, "fanjaka-mpisorona, firenena masina", olona nalain'Andriamanitra ho an'ny tenany mba hilazanareo ny hatsaran'ilay niantso anareo hiala tamin'ny maizina ho amin'ny fahazavany mahagaga.

Alakamisy 23 Aogositra 2018

Izay tia fananarana no tia fahalalana;
Fa izay mandà anatra dia biby.

Alarobia 22 Aogositra 2018

Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.

Talata 21 Aogositra 2018

Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome antsika ny fandresena amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.

Alatsinainy 20 Aogositra 2018

Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery;
Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.

Alahady 19 Aogositra 2018

Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.

Asabotsy 18 Aogositra 2018

Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna, fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany!

Zoma 17 Aogositra 2018

Raha izay re aho no tsy nanantena hahita ny fahasoavan'i Jehovah
amin'ny tanin'ny velona.

Alakamisy 16 Aogositra 2018

Fa ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.

Alarobia 15 Aogositra 2018

Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin'ny olona rehetra.

Talata 14 Aogositra 2018

Ny fireharehan'ny fon'ny olona mialoha ny fahasimbana;
Fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.

Alatsinainy 13 Aogositra 2018

Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.

Alahady 12 Aogositra 2018

Ary ny iva razana amin'izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin'Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan'Andriamanitra.

Asabotsy 11 Aogositra 2018

Miderà an'i Jehovah, miantsoa ny anarany;
Ataovy fantatra any amin'ny firenena ny asany.

Zoma 10 Aogositra 2018

Hampahery ny taranak'i Joda Aho,
Ary ny taranak'i Josefa hovonjeko ka hampodiko,
Satria mamindra fo aminy Aho,
Ka ho toy izay tsy nariako izy;
Fa Izaho no Jehovah Andriamaniny ka hihaino azy.

Alakamisy 9 Aogositra 2018

Fa raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala iny, ka ario ho afaka aminao; fa mahasoa anao na dia very aza ny iray momba ny tenanao, ka tsy ny tenanao rehetra no hariana any amin'ny helo.

Alarobia 8 Aogositra 2018

Ny fankahalana dia manetsika ady;
Fa ny fitiavana manarona ny ota rehetra.

Talata 7 Aogositra 2018

Fa Izaho Jehovah Andriamanitrao
no mitantana ny tananao ankavanana,
dia ilay manao aminao hoe:
Aza matahotra, Izaho no hamonjy anao.

Alatsinainy 6 Aogositra 2018

Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.

Alahady 5 Aogositra 2018

Aiza no hialako amin'ny Fanahinao?
Aiza no handosirako tsy ho eo anatrehanao?
Na dia miakatra any an-danitra aza aho dia any Hianao;
Ary na dia manao ny fiainan-tsi-hita ho fandriako aza aho, indro, any Hianao.

Asabotsy 4 Aogositra 2018

Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany.

Zoma 3 Aogositra 2018

Fa na aiza na aiza no iangonan'ny roa na telo amin'ny anarako, dia ao afovoany Aho.

Alakamisy 2 Aogositra 2018

Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy;
mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy.

Alarobia 1 Aogositra 2018

Hitahy anao anie Jehovah ka hiaro anao;
Hampamirapiratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hamindra fo aminao;
Hanandratra ny tavany aminao anie Jehovah ka hanome anao fiadanana.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana