DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Novambra 2022)

Alarobia 30 Novambra 2022

Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.

Talata 29 Novambra 2022

Mahareta amin'ny fivavahana, ka miambena amin'izany amin'ny fisaorana.

Alatsinainy 28 Novambra 2022

Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an'i Jehovah.
Haleloia.

Alahady 27 Novambra 2022

Izay tsy tia dia tsy mba mahalala an'Andriamanitra; fa Andriamanitra dia fitiavana.

Asabotsy 26 Novambra 2022

Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin'Andriamanitra, Izay manome malalaka ho an'ny olona rehetra sady tsy mandatsa; ary dia homena azy izany.

Zoma 25 Novambra 2022

Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah
Toy izay harena be misy ahiahy.

Alakamisy 24 Novambra 2022

Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.

Alarobia 23 Novambra 2022

Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin'ny fitiavana.

Talata 22 Novambra 2022

Ary na inona na inona no ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin'ny alalany.

Alatsinainy 21 Novambra 2022

An'i Jehovah ny tany sy izay rehetra eo aminy.
Izao rehetra izao sy ny mponina eo aminy.

Alahady 20 Novambra 2022

Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany.

Asabotsy 19 Novambra 2022

Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin'izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.

Zoma 18 Novambra 2022

Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana;
Vonjeo aho, dia ho voavonjy;
Fa Hianao no fiderako.

Alakamisy 17 Novambra 2022

Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an'Andriamanitra ny fifonany ho an'ny olona masina.

Alarobia 16 Novambra 2022

Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena.

Talata 15 Novambra 2022

ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao;
mitady Anao fatratra aho;
mangetaheta Anao ny fanahiko,
maniry Anao ny nofoko,
eto amin'ny tany maina
sy mangentana tsy misy rano.

Alatsinainy 14 Novambra 2022

Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna na ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava, fa hanatanteraka.

Alahady 13 Novambra 2022

Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana.

Asabotsy 12 Novambra 2022

Nitondra ny aretintsika tokoa Izy
sady nivesatra ny fahoriantsika;
kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina
sy nasian'Andriamanitra ary nampahorina.

Zoma 11 Novambra 2022

Fa amin'izany no anehoana fahamarinana avy amin'Andriamanitra avy amin'ny finoana sy ho amin'ny finoana, araka ny voasoratra hoe: Ny marina amin'ny finoana no ho velona.

Alakamisy 10 Novambra 2022

Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan'ny lanitra.

Alarobia 9 Novambra 2022

Ny fahotako nambarako taminao,
ary ny heloko tsy mba nafeniko.
Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho;
ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako.

Talata 8 Novambra 2022

Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin'ny faharetana.

Alatsinainy 7 Novambra 2022

Ary ny Tompo anie hanitsy lalana ny fonareo ho amin'ny fitiavana an'Andriamanitra sy ho amin'ny faharetan'i Kristy.

Alahady 6 Novambra 2022

Hamindra fo amintsika indray Izy
Ka hanitsakitsaka ny fahotantsika,
Eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.

Asabotsy 5 Novambra 2022

Tandremo, ry rahalahy, fandrao hisy aminareo hanana fo ratsy tsy mino ka hiala amin'Andriamanitra velona.

Zoma 4 Novambra 2022

Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.

Alakamisy 3 Novambra 2022

Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra;
Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy.

Alarobia 2 Novambra 2022

Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan'ny nofo ianareo.

Talata 1 Novambra 2022

Koa aoka ho fantatrao amin'ny fonao, fa tahaka ny fananaran'ny olona ny zanany no fananaran'i Jehovah Andriamanitrao anao.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria fantatrareo fa ny fizahan-toetra ny finoanareo dia mahatonga faharetana.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho;
Ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao;
Mampahery anao Aho sady mamonjy anao;
Eny, mitantana anao amin'ny tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana