Alatsinainy 31 Desambra 2018
Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masina izany.Alahady 30 Desambra 2018
Jehovah no heriko sy ampingako;izy no nitokian'ny foko, ka voavonjy aho;
dia mifaly ny foko,
ka ny hirako no hiderako Azy.
Asabotsy 29 Desambra 2018
Manetre tena eo anatrehan'ny Tompo, dia hanandratra anareo Izy.Zoma 28 Desambra 2018
Koa izany no nanandratan'Andriamanitra Azy indrindra sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin'ny anaran'i Jesosy no handohalehan'ny lohalika rehetra, na ny any an-danitra, na ny etỳ an-tany, na ny any ambanin'ny tany.Alakamisy 27 Desambra 2018
Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'ny alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan'anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.Alarobia 26 Desambra 2018
Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao,ary ny voninahitr'i Jehovah efa miposaka aminao.
Talata 25 Desambra 2018
Ary hoy ny anjely taminy: Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe izay ho an'ny olona rehetra.Alatsinainy 24 Desambra 2018
Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina,Ary izay miteraka zaza hendry hanampifaliana aminy.
Alahady 23 Desambra 2018
Koa ny finoana dia avy amin'ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin'ny tenin'i Kristy.Asabotsy 22 Desambra 2018
Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan'Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin'i Kristy Jesosy.Zoma 21 Desambra 2018
Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananaoSy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra.
Alakamisy 20 Desambra 2018
Dia hoy izy roa lahy: Minoa an'i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao sy ny ankohonanao.Alarobia 19 Desambra 2018
Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany.Talata 18 Desambra 2018
Aoka tsy handao anao ny famindram-po sy ny fahamarinana;Afehezo eo am-bozonao izany,
Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara
Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona ianao.
Alatsinainy 17 Desambra 2018
Ahoana ary? Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.Alahady 16 Desambra 2018
Ary noho ny fitahian'Andriamanitra ahy dia mbola maharitra mandraka androany aho ka manambara na amin'ny kely na amin'ny lehibe, ary tsy milaza na inona na inona afa-tsy izay nolazain'ny mpaminany sy Mosesy fa ho avy, fa Kristy tsy maintsy mijaly ary ho voalohany hitsangana amin'ny maty ka hitory fahazavana amin'ny olona Isiraely sy amin'ny jentilisa.Asabotsy 15 Desambra 2018
Ampitoero eo amin'ny teninao ny diako;Ary aza avela hanapaka ahy izay mety ho faharatsiana.
Zoma 14 Desambra 2018
Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an'Andriamanitra ny fisakaizana amin'izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan'izao tontolo izao, dia fahavalon'Andriamanitra izy.Alakamisy 13 Desambra 2018
Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an'ny fanahinareo ianareo. Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.Alarobia 12 Desambra 2018
Miverena ianareo hihaino ny fananarako;Indro, haidiko aminareo ny fanahiko,
Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
Talata 11 Desambra 2018
Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny olona ireny.Alatsinainy 10 Desambra 2018
Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.Alahady 9 Desambra 2018
Jehovah ô, aza izahay, aza izahay no omena voninahitra,Fa ny anaranao ihany,
Noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao.
Asabotsy 8 Desambra 2018
Ka dia maneke an Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy.Zoma 7 Desambra 2018
Fa tsy menatra ny filazantsara aho; fa herin'Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany, amin'ny Jiosy aloha, dia vao amin'ny jentilisa koa.Alakamisy 6 Desambra 2018
Sokafy ny vavanao hisolo ny moana,Hahazoan'ny kamboty ny rariny.
Alarobia 5 Desambra 2018
Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.Talata 4 Desambra 2018
Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.Alatsinainy 3 Desambra 2018
Anaka, tandremo ny didin-drainao,Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.
Alahady 2 Desambra 2018
Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho,ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro;
fa notafiany fitafiana famonjena aho,
ary nakanjoiny akanjo fahamarinana,
toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona,
ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
Asabotsy 1 Desambra 2018
Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?Lohahevitra mifandraika amin'izany
Fitiavana
Ny fitiavana mahari-po sady...
Fanantenana
Fa Izaho mahalala ny...
Finoana
Koa lazaiko aminareo: Na...
Ankohonana
Ary aoka ho ao...
Fiankohofana
Jehovah ô, Andriamanitro Hianao...
Fivavahana
Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka...
Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany
Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano,ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.
Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :
Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanaoAndinin-teny ao amin'ny Baiboly
Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho;hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho.Andinin-teny manaraka !