DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Janoary 2019)

Alarobia 30 Janoary 2019

Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.

Talata 29 Janoary 2019

Ny vavan'ny mpihatsaravelatsihy no animbany ny namany;
Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina.

Alatsinainy 28 Janoary 2019

Tsara Jehovah,
fiarovana mafy amin'ny andro fahoriana,
Ka mahalala izay mialoka aminy.

Alahady 27 Janoary 2019

Ary rehefa tafapetraka Jesosy, dia niantso ny roa ambin'ny folo lahy Izy ka nanao taminy hoe: Raha misy te-ho voalohany, dia hatao farany amin'izy rehetra sy ho mpanompo'izy rehetra izy.

Asabotsy 26 Janoary 2019

Tsara ny mialoka amin'i Jehovah
Noho ny mialoka amin'ny olona.

Zoma 25 Janoary 2019

Fa hoy Jehovah tamin'i Samoela: Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon'ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin'ny olona no fijerin'i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.

Alakamisy 24 Janoary 2019

Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.

Alarobia 23 Janoary 2019

Aza manasa-tena hanan-karena,
Aza entina amin'izany ny fahendrenao.
Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy?
Fa maniry elatra tokoa izy
Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra.

Talata 22 Janoary 2019

Koa noho izany dia manaova izay zotom-po rehetra kosa ianareo, ka amin'ny finoanareo dia manehoa fahatanjahan-tsaina, ary amin'ny fahatanjahan-tsainareo dia fahalalana, ary amin'ny fahalalanareo dia fahononam-po, ary amin'ny fahononam-ponareo dia faharetana, ary amin'ny faharetanareo dia toe-panahy araka an'Andriamanitra, ary amin'ny toe-panahinareo araka an'Andriamanitra dia fitiavana ny rahalahy, ary amin'ny fitiavanareo ny rahalahy dia fitiavana ny olona rehetra.

Alatsinainy 21 Janoary 2019

Fa manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ranonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.

Alahady 20 Janoary 2019

Be fiadanana izay tia ny lalànao,
Ary tsy misy mahatafintohina azy.

Asabotsy 19 Janoary 2019

Fa araka ny fahamasinan'ilay niantso anareo, dia aoka mba ho masina koa ianareo amin'ny fitondran-tena rehetra, satria voasoratra hoe: "Ho masina ianareo, satria masina Aho".

Zoma 18 Janoary 2019

Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; Hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra.

Alakamisy 17 Janoary 2019

Izay maro sakaiza tsy maintsy tra-pahoriana;
Fa misy sakaiza tia, izay mifikitra noho ny rahalahy aza.

Alarobia 16 Janoary 2019

Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin'izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.

Talata 15 Janoary 2019

Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran'ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.

Alatsinainy 14 Janoary 2019

Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho;
hanambara ny fahagaganao rehetra aho.

Alahady 13 Janoary 2019

Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.

Asabotsy 12 Janoary 2019

Ary ho an'ny Mpanjaka tsy manan-taloha, tsy mety maty, tsy hita, dia ho an'Andriamanitra tokana ihany anie ny laza sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena.

Zoma 11 Janoary 2019

Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah.
Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny lalana ratsy
Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.

Alakamisy 10 Janoary 2019

Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay.

Alarobia 9 Janoary 2019

Ka dia sahy manao hoe isika: "Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; Inona no azon'ny olona atao amiko?"

Talata 8 Janoary 2019

Maro ny fahorian'ny marina;
nefa Jehovah manafaka azy amin'izany rehetra izany.

Alatsinainy 7 Janoary 2019

Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo, tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otri-po.

Alahady 6 Janoary 2019

Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin'ny tany, izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.

Asabotsy 5 Janoary 2019

Mamindra fo sy miantra Jehovah,
Mahari-po sady be famindram-po.

Zoma 4 Janoary 2019

Mifalia mandrakariva. Mivavaha, ka aza mitsahatra. Misaora amin'ny zavatra rehetra; fa izany no sitrapon'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesosy ho anareo.

Alakamisy 3 Janoary 2019

Sambatra ianareo, raha haratsin'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko.

Alarobia 2 Janoary 2019

Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy;
Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.

Talata 1 Janoary 2019

Fantaro ny zavatra rehetra; hazòny mafy izay tsara. Fadio ny fanao ratsy rehetra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Satria tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna eo anatrehany; fa ny lalàna no ahazoana ny fahalalana marina ny amin'ny ota.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Ary mihoatra noho ny zavatra rehetra, mifankatiava tsara; fa "ny fitiavana manarona fahotana maro".Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana