DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Septambra 2017)

Asabotsy 30 Septambra 2017

Dia hanan-karena amin'ny zavatra rehetra ianareo ka handroso amin'ny hitsim-po, izay mahatonga ny fisaoranay an'Andriamanitra.

Zoma 29 Septambra 2017

Misaora izay manenjika anareo; misaora, fa aza manozona.

Alakamisy 28 Septambra 2017

Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy;
Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana.

Alarobia 27 Septambra 2017

Fa hoy Jesosy taminy: Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino.

Talata 26 Septambra 2017

Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon'ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak'Andriamanitra, sady izany tokoa isika! Koa noho izany dia tsy mahalala antsika izao tontolo izao, satria tsy nahalala Ary izy.

Alatsinainy 25 Septambra 2017

Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao;
fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao,
ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.

Alahady 24 Septambra 2017

Ary koa, tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao ambanin'ny vata famarana, fa apetrany eo amin'ny fanaovan-jiro, ka dia mazava amin'izay rehetra ao an-trano izany. Aoka hazava eo imason'ny olona toy izany koa ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo Izay any an-danitra.

Asabotsy 23 Septambra 2017

Ary ny Tompo izany Fanahy izany; ary izay itoeran'ny Fanahin'ny Tompo no itoeran'ny fahafahana.

Zoma 22 Septambra 2017

Tsy misy masina tahaka an'i Jehovah,
fa tsy misy afa-tsy Hianao;
ary tsy misy vatolampy tahaka an'Andriamanitsika.

Alakamisy 21 Septambra 2017

Omeo voninahitra ny mpitondratena izay efa mpitondratena tokoa.

Alarobia 20 Septambra 2017

Ary mandehana amin'ny fitiavana, toy ny nitiavan'i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin'Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.

Talata 19 Septambra 2017

Satroboninahitry ny antitra ny zafiny;
Ary voninahitry ny zanaka ny rainy.

Alatsinainy 18 Septambra 2017

Sambatra izay olona maharitra fakam-panahy; fa rehefa voazaha toetra izy, dia handray ny satro-boninahitra fiainana, izay nolazain'ny Tompo homena izay tia Azy.

Alahady 17 Septambra 2017

Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.

Asabotsy 16 Septambra 2017

Ny fo ravoravo mahasalama tsara;
Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana.

Zoma 15 Septambra 2017

Fa Andriamanitry ny faharetana sy ny fiononana anie hampiray hevitra anareo araka an 'i Kristy Jesosy.

Alakamisy 14 Septambra 2017

Ary tamin'ny andro farany, izay andro lehibe tamin'ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.

Alarobia 13 Septambra 2017

Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao;
ny tananao ankavanana no manohana ahy,
ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy.
Halalahinao ny lalana hodiaviko,
ka tsy mangovitra ny hato-tongotro.

Talata 12 Septambra 2017

Tsy misy fakam-panahy nahazo anareo afa-tsy izay zakan'ny olombelona; nefa mahatoky Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo; fa momba ny fakam-panahy dia hasiany lalana hahafahanareo koa mba hahazakanareo izany.

Alatsinainy 11 Septambra 2017

Fa raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.

Alahady 10 Septambra 2017

Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana;
Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.

Asabotsy 9 Septambra 2017

Maina ny ahitra, malazo ny voniny;
Fa ny tenin'Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.

Zoma 8 Septambra 2017

Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?

Alakamisy 7 Septambra 2017

Jehovah no miandany amiko, ka tsy hatahotra aho.
Inona no azon'ny olona atao amiko?

Alarobia 6 Septambra 2017

Koa dia finaritra aho amin'ny fahalemena, amin'ny fampahoriana, amin'ny fahaterena, amin'ny fanenjehana, amin'ny fahantrana, noho ny amin'i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.

Talata 5 Septambra 2017

Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany,
ary ny tsy marina hahafoy ny heviny;
ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny,
fa hamindra fo aminy Izy,
Eny, ho amin'Andriamanitsika,
fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.

Alatsinainy 4 Septambra 2017

Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy;
Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.

Alahady 3 Septambra 2017

Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?

Asabotsy 2 Septambra 2017

Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.

Zoma 1 Septambra 2017

Miandrasa an'i Jehovah ianao;
matokia, ary aoka hahery ny fonao;
eny, miandrasa an'i Jehovah.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana