DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Aogositra 2017)

Alakamisy 31 Aogositra 2017

Ny Fanahin'i Jehovah no ato amiko,
Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny malahelo Izy;
Naniraka Ahy hitory fandefasana amin'ny mpifatotra Izy,
Sy fampahiratana amin'ny jamba,
Hanafaka izay nampahorina.

Alarobia 30 Aogositra 2017

Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin'ny Tompo. Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo. ary aza sosotra aminy.

Talata 29 Aogositra 2017

Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.

Alatsinainy 28 Aogositra 2017

Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao.

Alahady 27 Aogositra 2017

Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy.

Asabotsy 26 Aogositra 2017

Trano sy harena no lova avy amin'ny ray;
Fa ny vady hendry kosa dia avy amin'i Jehovah.

Zoma 25 Aogositra 2017

Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo
ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.

Alakamisy 24 Aogositra 2017

Mandehana amin'ny fahendrena amin'izay ao ivelany, hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa. Aoka ny fiteninareo ho amin'ny fahasoavana mandrakariva, ho mamy sira, mba ho fantatrareo izay tokony havalinareo ny olona rehetra.

Alarobia 23 Aogositra 2017

Amin'ny andro mahafaly dia mifalia; ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampitanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.

Talata 22 Aogositra 2017

Fa mba hanaraka ny marina amin'ny fitiavana ka hitombo amin'ny ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy.

Alatsinainy 21 Aogositra 2017

Aza mety hofitahina ianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin'ny olona no hojinjany.

Alahady 20 Aogositra 2017

Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy,
sady misaintsaina ny marina ny fony;
Tsy manendrikendrika amin'ny lelany,
sady tsy manisy ratsy ny sakaizany,
ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany.

Asabotsy 19 Aogositra 2017

Fa ny trano rehetra dia samy nisy mpanao azy; fa Izay nanao ny zavatra rehetra kosa dia Andriamanitra.

Zoma 18 Aogositra 2017

Ary aoka ho masina ho Ahy ianareo, satria masina Aho Jehovah; ary efa navahako tamin'ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.

Alakamisy 17 Aogositra 2017

Ary handeha amin'ny malalaka aho;
Fa ny didinao no tadiaviko.

Alarobia 16 Aogositra 2017

Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesosy Tompontsika.

Talata 15 Aogositra 2017

Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy.

Alatsinainy 14 Aogositra 2017

Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy;
iza no hatahorako?
Jehovah no fiarovana mafy ho an'ny aiko;
iza no hangovitako?

Alahady 13 Aogositra 2017

Fa raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.

Asabotsy 12 Aogositra 2017

Fa olona afaka ianareo, nefa aza mitondra ny fahafahanareo ho fanaronana ny ratsy, fa ho toy ny mpanompon Andriamanitra.

Zoma 11 Aogositra 2017

Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany;
ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy;
Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.

Alakamisy 10 Aogositra 2017

Aoka ho ao aminareo izao saina izao, izay tao amin'i Kristy Jesosy koa.

Alarobia 9 Aogositra 2017

Fa ankehitriny, rehefa natao afaka tamin'ny ota ianareo ka efa tonga mpanompon'Andriamanitra, dia manana ny vokatrareo ho amin'ny fahamasinana, ary ny farany dia fiainana mandrakizay.

Talata 8 Aogositra 2017

Ny volon'elany no anaronany anao,
Ary ao ambanin'ny elany no hialofanao;
Ho ampinga kely sy ampinga lehibe ny fahamarinany.

Alatsinainy 7 Aogositra 2017

Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin'ny tany sy any ambanin'ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin'izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an'ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana sy ho an'ny Zanak'ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.

Alahady 6 Aogositra 2017

Fa efa miseho ny fahasoavan'Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an'Andriamanitra sy ny filan'izao tontolo izao ary ho velona amin'ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'izao fiainana ankehitriny izao.

Asabotsy 5 Aogositra 2017

Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro;
ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra.

Zoma 4 Aogositra 2017

Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen'izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.

Alakamisy 3 Aogositra 2017

Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory. Fa ny Zanak'ondry Izay eo afovoan'ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina; ary hofafan'Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin'ny masony.

Alarobia 2 Aogositra 2017

Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô,
Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.

Talata 1 Aogositra 2017

Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'ilay mampahery ahy.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy;
Hotsarovana mandrakizay ny marina.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Izay manisy soa olona hohatavezina;
Ary izay mandena dia mba holemana kosa.
Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana