DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Tahirin-kevitra (Janoary 2017)

Talata 31 Janoary 2017

Tao an-katerena no niantsoako an'i Jehovah;
Dia namaly ahy Jehovah ka nampahalalaka ahy.

Alatsinainy 30 Janoary 2017

Izay namonjy antsika sy niantso antsika tamin'ny fiantsoana masina, tsy araka ny asantsika, fa araka ny fikasany sy ny fahasoavany izay nomena antsika tao amin'i Kristy Jesosy hatry ny fony fahagola.

Alahady 29 Janoary 2017

Fa hoy ny Soratra Masina: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.

Asabotsy 28 Janoary 2017

Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina,
Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo.

Zoma 27 Janoary 2017

Fantatrareo izany, sy rahalahy malalako. Kanefa aoka ny olona rehetra halady hihaino ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra.

Alakamisy 26 Janoary 2017

Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an'ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin'ny asa tsara izany.

Alarobia 25 Janoary 2017

Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko;
Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro;
Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko,
Dia tariho amin'ny lalana mandrakizay aho.

Talata 24 Janoary 2017

Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany.

Alatsinainy 23 Janoary 2017

Anaka, aoka tsy ho tia amin'ny teny na amin'ny lela isika, fa amin'ny asa sy amin'ny marina.

Alahady 22 Janoary 2017

Ny mason'i Jehovah dia mitsinjo ny marina,
ary ny sofiny mihaino ny fitarainany.

Asabotsy 21 Janoary 2017

Satria malala eo imasoko ianao,
eny, be voninahitra ianao sady tiako,
dia olona no omeko ho solonao,
ary firenena ho solon'ny ainao.

Zoma 20 Janoary 2017

Mahatoky Izay miantso anareo, sady Izy ihany no hanefa izany.

Alakamisy 19 Janoary 2017

Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy;
Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.

Alarobia 18 Janoary 2017

Ary aoka ho ao am-ponao izao teny andidiako anao anio izao. Dia ampianaro tsara ny zanakao izany, ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha.

Talata 17 Janoary 2017

Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran'ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.

Alahady 15 Janoary 2017

Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.

Asabotsy 14 Janoary 2017

Miareta tory sy mivavaha ianareo, mba tsy hidiranareo amin'ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.

Zoma 13 Janoary 2017

Ny mpivadibadika mamafy ady;
Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.

Alakamisy 12 Janoary 2017

Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?

Alarobia 11 Janoary 2017

Kanefa aza mifaly ianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.

Talata 10 Janoary 2017

Fa izaho kosa dia hihira ny herinao,
ary hihoby ny famindram-ponao nony maraina,
satria fiarovana avo ho ahy Hianao,
ary fandosirako amin'ny andro fahoriana.

Alatsinainy 9 Janoary 2017

Tsy manao na inona na inona amin'ny fifampiandaniana, na mandrani-tena foana fa amin'ny fanetren-tena dia aoka samy hanao ny namany ho mihoatra noho ny tenany.

Alahady 8 Janoary 2017

Jehovah Andriamanitsika anie no amintsika, tahaka ny tamin'ny razantsika; aoka tsy handao na hahafoy antsika Izy.

Asabotsy 7 Janoary 2017

Ny harena azo amin'ny tsy marina dia tsy mahasoa na inona na inona;
Fa ny fahamarinana no mamonjy amin'ny fahafatesana.

Zoma 6 Janoary 2017

Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.

Alakamisy 5 Janoary 2017

Ary aza mba ketraka amin'ny fanaovan-tsoa isika; fa amin'ny fotoan'andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.

Alarobia 4 Janoary 2017

Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany;
Ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy;
Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy.

Talata 3 Janoary 2017

Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy.

Alatsinainy 2 Janoary 2017

Nefa aoka hangataka amin'ny finoana izy ka tsy hiahanahana akory; fa izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany.

Alahady 1 Janoary 2017

Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah
Sady mankasitraka ny didiny indrindra.

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako:
Tsy hiverina amiko foana izy,
raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako
ary ambinina amin'izay ampandehanako azy.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana