DailyVerses.netLohahevitraAndinin-teny kisendrasendraFanoratana anarana

Rariny (3/5)

  • Fa Jehovah no Mpitsara antsika;
    Jehovah no mpanome lalàna antsika;
    Jehovah no mpanjakantsika;
    Izy no hamonjy antsika.
  • Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.
  • Tsara lavitra ny kely ananan'ny ratsy fanahy maro.
    Fa ny sandrin'ny ratsy fanahy ho tapatapaka;
    Fa Jehovah manohana ny marina.
  • Jehovah ô, Hianao no ialofako;
    aoka tsy ho menatra akory mandrakizay aho;
    vonjeo amin'ny fahamarinanao aho.
  • Hifaly dia hifaly amin'i Jehovah aho,
    ny fanahiko ho ravoravo amin'Andriamanitro;
    fa notafiany fitafiana famonjena aho,
    ary nakanjoiny akanjo fahamarinana,
    toy ny mpampakatra misatroka hamama tahaka ny mpisorona,
    ary toy ny ampakarina miravaka ny firàvany.
  • Ary Izy nitondra ny fahotantsika tamin'ny tenany teo ambonin'ny hazo, mba ho faty ny amin'ny ota isika, fa ho velona ny amin'ny fahamarinana; ary "ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo".
  • Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
  • Ny zavatra rehetra azoko atao, nefa tsy dia ary mahasoa avokoa ny zavatra rehetra; ny zavatra rehetra azoko atao, nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.
  • Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy; ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.
  • Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra,
    Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra.
  • Hianareo no fahazavan'izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.
  • Aza mialona ny olon-dozabe,
    Na mifidy izay lalany akory,
    Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia,
    Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.
  • Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
  • Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray.
  • Izy mitahiry fanambinana ho an'ny mahitsy
    Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny.
  • Fitahiana no ho ao amin'ny lohan'ny marina;
    Fa loza no mandrakotra ny vavan'ny ratsy fanahy.
  • Ary Petera niloa-bava ka nanao hoe: Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan'olona Andriamanitra; fa amin'ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.
  • Jehovah ô, henoy ny fivavako,
    ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao;
    Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.
  • Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
  • Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty;
    omeo rariny ny ory sy ny malahelo.
  • Fa izay tsy nahalala kosa ka nanao izay zavatra tokony hikapohana azy dia hokapohina kely. Fa izay nomena be, dia be no hotadiavina aminy; ary izay nampitehirizina be, dia bebe kokoa no hadinina aminy.
  • Sambatra ny mahitsy lalana,
    Izay mandeha araka ny lalàn'i Jehovah.
  • Tsara sy mahitsy Jehovah,
    ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana.
    Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy,
    ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany.
  • Amin'ny fanahiko no aniriako Anao nony alina;
    Eny, ny saiko ato anatiko no itadiavako Anao fatratra;
    Fa raha mamely ny tany ny fitsaranao,
    dia mianatra fahamarinana ny mponina amin'izao tontolo izao.
  • Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron'ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin'ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak'omby mifahy.

Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy.
Hamantatra bebe kokoa...

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly androany

Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin'ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin'ny fahasoavana ao am-ponareo ho an'Andriamanitra.

Te hahazo andin-teny ao amin'ny Baiboly isan'andro :

Fampandrenesana isan'androMailakaFacebookAo amin'ny tranonkalanao

Andinin-teny ao amin'ny Baiboly

Koa amin'izany na zovy na zovy no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin'ny lehilahy manan-tsaina izy, izay nanorina ny tranony teo ambonin'ny vatolampy.Andinin-teny manaraka !

Ho fanohanana ny DailyVerses.net

Mba ampio aho hampiely ny Tenin'Andriamanitra :
Fanohanana